Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Mey 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 4.1-22
1 [Ny namatorana an'i Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo; 2 fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty. 3 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay. 4 Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy. 5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna 6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe. 7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany? 8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, 9 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. 11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). 12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. 13 Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy. 14 Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny. 15 Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy 16 ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina. 17 Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza. 18 Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony. 19 Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. 20 Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. 21 Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao. 22 Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 4.1-22
Manohitohina ny fotom-pampianaran’ny Sadoseo sy ny mpisoronabe ny fampianaran’ny Apostoly . Nampidirana an’i Jaona sy Petera am-ponja izany . Tsy mahasakana ny vahoaka tsy hino ny famonjena azo avy amin’i Jesoa Kristy anefa ny fampitahorana .
Ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny mpitory teny
Ny fahasahiana nananan’ i Petera sy Jaona nijoro teo anatrehan’ny mpanapaka ny fahalalana nananany teo am-pandaharan-kevitra ary ny isan’ny nanolo-tena efa ho 5 000 isa (and 4) dia maneho ny asa sy ny herin’ny Fanahy Masina ao anatin’ny mpino rehefa manaiky hanao ny asa nasain’ny Tompo natao izy. Tsy isalasalana ny milaza fa mamparanin-tsaina ny fahafenoan’ny Fanahy Masina (and13) . Ny vokatra azo anefa (and4) dia asan’ny Fanahy Masina fa tsy noho ny fahaizan’olombelona.
Ny toriteny Apostolika sy ny Fanhy Masina
Mambomba ny teny ampitondraina ny mpino hatrany ny Fanahy masina (and8,10). Rehefa tena feno ny Fanahy Masina ny mpino dia tsy marina eo amin’ny fiainany ny fihemorana , eny fa na dia isian’ny fandrahonana sy haningotra ny aina aza izany (and 18). Aoka ho feno ny Fanahy isika mba hatoky tokoa.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8