Fandalinana ny Boky ASAN’ny APOSTOLY

Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Mey 2019

Fandalinana ny Boky ASAN'ny APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 2.42-47 / 3.1-11
42 Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. 43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly. 44 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, 45 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. 46 Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, 47 nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.

Fandalinana ny Boky ASAN’ny APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 2.42-47 / 3.1-11

Ireo fototra efatry ny fiainam-piangonana

Ny fampianaran’ny Apostoly. Mifototra  amin’ny tena  sy ny asan’I Kristy ary voazava  miainga amin’ny lalàna sy ny faminaniana  tao amin’ny fanekena taloha.

Ny famakiana ny mofo

Fiainana ny asam-pisoronana sy ny asam-panavotana  vitan’I Kristy teo amin’ny hazo fijaliana , izay iainana  ao anatin’ny firahalahiana .

-Fivavahana: Fanompoampivavahana  hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra

-Fiombonana : ny fenitry ny fiombonana no ndeha  horaisintsika fiangonana ankehitriny, izany hoe : miray fo sy saina ary fanahy amin’izay atao.

Raha izay voalaza  eo amin’ny and 44-45 mantsy dia azo ambara  fa fandresen-dahatry ny Apostoly nateraky  ny fiheverana fa I Jesoa Kristy dia hiverina vetivety  ka naleon’izy ireo nivarotra ny fananany fa tsy hhary ety an-tany intsony.

Fiangonana velona sy mifoha

Nitombo isanandro ny olom-bonjena (and 47) . Nanamarina ny asany ny Tompo tamin’ny famantarana sy fahagagana teo amin’ny fiangonana (toko 3.7-9). Fifaliana sy fahatsorampo  no niainana ny fiainam-piangonana . Inona kosa re no mari-drefy handrefesantsika ny fiangonantsika e!

“Raiso ny Tenin’ Andriamanitra” Boky faha- 8