Fandalinana ny ASAN’ ny APOSTOLY

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Mey 2019

Fandalinana ny ASAN' ny APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 2.1-21
1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. 5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. 6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. 7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? 8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, 11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? 12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany? 13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo. 14 Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: 15 Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. 16 Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe: 17 Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; 18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; 19 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka; 20 Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza; 21 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).

Fandalinana ny ASAN’ ny APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 2.1-21

Ny Pentekosta kristiana sy ny heviny

Vanimpotoana vaovao eo amin’ny fizotran’ny tantaran’ny famonjena no misokatra eto amin’ny Pentekosta kristiana. Fanombohan’ny andro
farany voalaza ao amin’ny bokin’i Joela mpaminany mantsy ity filatsahan’ny Fanahy masina amin’ny mpanara-dia an’i Kristy ity (and17).

Ny Fanahin’ Andriamanitra mihitsy no ampiraisiny amin’ny mpino . Famonjena ho an’izay mino Azy izany , saingy ho fitsarana maha-torakovitra ho an’izao tontolo izao (and20).

Famonjena ho an’ny firenena rehetra

Nahariharin’ Andriamanitra eto fa ho an’ny firenena rehetra ny famonena satria:

1-Izay fiaviam-pirenena nanatrika teo dia nandre ny filazana ny famonjena ho azy araka ny fiteniny avy (and5-11).

2-Ny and 21 dia milaza fa » ary na zovy na zovy no hiantso ny Anaran’i Jehovah dia hovonjena ». Midika izany fa ho an’ny olon-drehetra ihany koa fa sy natao ho an’ny Jiosy irery ihany fa ho an’ny olon-drehetra ihnay koa.

Asan’ny Fanahy masina ny fanapariahana ny Filazantsaran’ny Famonjena . Ny Fiangonana no nifidiany hanatanteraka izany . Isaoranantsika ny Tompo izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8