Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Aprily 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA
Marka 14,32 - 54
32 Ary tonga tany amin'ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako. 33 Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra. 34 Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory. 35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao. 36 Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. 37 Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? 38 Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. 39 Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany. 40 Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy. 41 Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota. 42 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy. 43 Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona. 44 Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka. 45 Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy. 46 Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy. 47 Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny. 48 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? 49 Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao. 50 Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra. 51 Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy. 52 Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy. 53 Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna. 54 Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan'ny afo.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 14.32-54
Mampianatra sy mitaona antsika i Jesoa Kristy eto fa na dia Izy aza tsy mandeha araka ny heriny , ny fahalalany , ny sainy sy izay tiany ho natao fa nahay nametraka ny zava-manjo Azy tamin’ Andriamanitra Rainy : « Aba ,Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao, esory amiko ity kapoaka ity , nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao. »

Inefatra miverina eto ny teny iray tarika amin’ny hoe : vavaka , izay midika ho fametrahana sy fiankinana feno amin’Andriamanitra , fanekena ny sitrapony . I Jesoa hatrany no manatanteraka izany eto: maneho Izy ny maha- modely , fitaratra Azy na amin’ny faharetana , na main’ny fiaretana na amin’ny fahafoizam-potoana , na ny fihetsika . Manaporofo izany ireto teny ireto: »Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako… niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka » . Noho izany, fianteherany sy fiankinany tamin’Andriamanitra Rainy izany , na dia sarotra aza ny miandry Azy , na dia mafy aza ny hanjo azy dia tsy nahakivy , na nahaketraka , na nampiraviravy tànana Azy izany . Mitaona antsika izany hahay hametraka ny adintsika , ny fanahiantsika , ny tahotsika an’ Andriamanitra , ilay azo antoka fa tsy handao antsika na oviana na oviana .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6