Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 14.17-31
17 Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy. 18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy. 19 Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany? 20 Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy. 21 Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory. 22 Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. 23 Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany. 24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena*, izay alatsaka hamonjy ny maro.[*Na: fanekena vaovao] 25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. 27 Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry (Zak. 13. 7). 28 Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia. 29 Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina. 30 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin'ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. 31 Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 14.17-31

Mampiomana antsika i Kristy ny amin’izay hihatra Aminy sy mety hihatra amintsika mpanara-dia Azy koa. Misarika antsika anefa Izy ary mampahery antsika tsy handositra izany : »Ho tafitohina avokoa ianareo rehetra , fa voasoratra hoe: hamely ny mpiandry Aho dia hihahaka ny ondry » (and27).

Na dia eo aza ny zava-tsarotra tsy maintsy hatrehina , hiseho dia mampitandrina antsika i Jesoa tsy hitoky amin’ny olona na hatoky olona na dia ny akaiky anao indrindra aza fa mety hivadika izy ireny rehefa tojo ny sarotra sy ny matim-bola: »Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo dia izay iray miara-mihinana amiko no hamadika Ahy » (and18).

« Lazaiko aminao marina tokoa , anio dia amin’ity alina ity raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany dia handà Ahy intelo ianao » (=Petera) and30 ;. Samy akaiky an’i Jesoa ireo na i Jodasy na i Petera mpiara-dia taminy isanandro sady niara-nihinana ny manta sy ny masaka taminy . Ireo anefa namadika Azy , nandà Azy.

Te-hampisaina sy hampandinitena antsika koa anefa Izy , tsy hatoky afa-tsy Izy irery ihany .Raha sendra fizahan-toetra isika , handà ho tsy mahafantatra ny Tompo akory ve? Mampahery anao i Jesoa anio raha tratry ny ady na ny zava-tsarotra ianao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6