Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 4.26-41
26 Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany 27 ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny 28 Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa. 29 Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano. 30 Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy? 31 Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany; 32 Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony. 33 Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina. 34 Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo. 35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. 36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. 38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. 40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? 41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 4.26-41

Niverina nanatrika indray ny vahoaka i Jesoa ka nanao fanoharana hafa ho azy ireo .

1-Matokia fa mamokatra izay afafy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra .

Diniho ange ny tohin’ny asa natombok’ilay lehilahy lazain’i Jesao aminn’y fanoharana : mamafy-maniry / mitombo-mamokatra-masaka-mijinja. Ny voalohany sy ny farany no anjarany. Asain’i Jesoa matoky tsy msy ahiahy isika (and27) fa Izy no mampamokatra ny asa aainy ataontsika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

2- Kely fa mihalehibe ny fanjakan’ Andriamanitra

Ahoana indray ny amin’ny « voatsinapy ? ». Kely ny fanjakan’ Andriamanitra rehefa tonga eo amin ‘ny olona amin’ny voalohany (and30). Fa rehefa raisintsika dia maniry ka mihalehibe eo amintsika . I Jesoa irery no nanomboka ny asa tany Galilia nefa dia nihanaka nanerana an’i Jodia , eny hatrany an-dafin’ny Jordana aza ny lazany avy eo (3.7,8). Rehefa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana Izy mba hanafaka ny otantsika dia izany no hahazoantsika mpanota monina sy mialokaloka ao amin’ny fanjakany (and32) .

3-Misedra ny finoan’ny mpianatra i Jesoa

Ny Tenin’i Jesoa no narahina raha nifindra ho eny ampita ny mpianatra. Tsy nanakana ny fisedrana mafy nahazo azy ireo izany (and37) . Kanefa manana hiantorahana sy hamonjy azy ny mpianany , dia i Jesoa (and38) . Tiany hotefena hatanjam-pinoana ianao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6