Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Aprily 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA
Marka 4.1-12
1 Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina. 2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe: 3 Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy. 4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany. 5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. 6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. 9 Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. 10 Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy. 11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana; 12 mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).1-Ireo vahoaka marobe no nasainy HIHAINO Azy .
Tamin’ny alalan’ny fanoharana no nitenenany tamin’izy ireo . Tantara noforonina niainga avy amin’ny fiainana andavanandro fa natao hanazavana fahamarinana mahakasika ny fanahy na ny fiyondrantena ny fanoharana. Tondroina matetika amin’ny hoe: »fanoharana ny amin’ny mpamafy » ity. Mahazo laka eto amin’ity fanoharana ity ny teny hoe: « Mihainoa » (and3).
Karazana tany 4 samy hafa no nilatsahan’ny voa : tany amoron-dàlana (and4) , toerana be vato (and5) , tany be tsilo (and7) ary tany lonaka (and8) . Raha tianao hamokatra eo amin’ny fiainanao ny Tenin’ Andriamanitra dia manaova fanahy iniana « mihaino » azy.
2-Nomena anjara manokana ny mpianatra
Nahazo tombony ny mpianatra , teo izy 12 lahy fa nahazo koa ireo « olona nomba Azy » (and10) . Nomena azy ireo ny hahalala ny zava-miafin’ny fabnjakan’ Andriamanitra (and11). Mampitandrina i Jesoa fa misy làlan-tsaina mazava ny fihainoa. Rehefa tena mihaino dia mibebaka ary dia voavela heloka (and12) . Rehefa tsy mihaino diantsy hibebaka ary dia tsy havela heloka . Tsy mety ny hoe: tsy manaiky hihaino nefa mitady mba havela heloka.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6