Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 3.1-19
1 Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty* tanana teo.[*Gr. efa maina, na malazo] 2 Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy. 3 Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany. 4 Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona. 5 Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany. 6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy. 7 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia 8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy. 9 Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo. 10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina*.[*Gr. kapoka] 11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. 12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy. 13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo. 14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny 15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia. 16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; 17 ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra; 18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana*[*Na: Zelota, izahao Lio.6.15] 19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 3.1-19

Mbola misy resaka momba ny sabata indray eto:

1-Hamelomana fa tsy hamonoana ny sabata

Fanaon’i Jesoa ny mankany amin’ny synagoga rehefa sabata. Mitoriteny sy manasitrana Izy ao. Nanontany mivantana ireo olona efa fantany fa miandry kendry tohina Azy Izy teto (and4) . Sitrana ny tànan-dralehilahy satria nino an’i Jesoa izy . Fa tezitra sady nalahelo Izy « noho ny hamafin’ny fon’ireo olona nanatrika teo » (and5) . Tena mafy amin’i Jesoa ny mahita antsika tsy mety mino Azy .

2-Niparitaka be ny vaovao momba an’i Jesoa

Olona marobe avy amin’ny lafivalon’ny firenena no nanaraka an’i Jesoa ( and 7,8) Nandre ny asa lehibe nataon’i Jesoa izy ireo . Tena mahataona olona hanaraka an’i Jesoa na dia ny filazalazantsika izay zavatra nataony tamintsika fotsiny aza . Ilay boka nositraniny ihany no norarany tsy hilazalaza (Mar 1.44) fa ireo marary sy demoniaka nositraniny kosa nampiely ny lazany . Efa tsy mandrara anao intsony hilaza ny nataony taminao izao i Jesoa (Mar 5.19) .

3-Nanome fahefana ny mpianany i Jesoa

Na dia mahafantatra Azy aza ny demonia, tsy miaraka miasa amin’ny demonia i Jesoa sanatrian’ny vava. Ny mpianany no notendreny hitoriteny sy hamoaka ny demonia . Sahia mampiasa ny fahefana nomen’i Jesoa anao fa famantarana manaraka ny mino tokoa izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6