Fandalinana ny Boky MARKA
Mofonaina anio: Talata, faha 09 Aprily 2019
Fandalinana ny Boky MARKA
Marka 2.18-28
18 Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? 19 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy. 20 Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany hifady izy. 21 Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin'ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra. 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao. 23 Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana. 24 Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata? 25 Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy, 26 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy? 27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata. 28 ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.Fandalinana ny Boky MARKA
Marka 2.18-28
I Jaona (mpanao Batisa) no nanao Batisa an’i Jesoa , nefa samy hafa ny fomba fanaon’ny mpianatr’i Jesoa sy ny mpianatr’i Jaona.

1-Nahoana ny mpianatr’i Jesoa no tsy mba mifady hanina?
Saritsarin-teny no namalian’i Jesoa fa « mbola hifady hanina ihany ireo « (and19). Misy fotoanany ny zavatra rehetra (and20) .Ny fanatrehan’i Jesoa dia fotoam-pifaliana toy ny fampakaram-bady ka tsy fotoana hifadian-kanina . Fa rehefa lasa Izy , hifady hanina ihany ny mpianany. Fampianarana vaovao mihitsy no entin’i Jesoa . Noho izany ,Olom-baovao sy fomba fisaina sy fiaina vaovao no hitarihany antsika momba ny fifadian-kanina (and22).
2-Ahoana indray ny amin’ny Sabata ?
Toy ny mitati-bolana amin’i Jesoa ny Fariseo . Heveriny fa tsy hitan’ny mpampianatra ny nataon’ny mpianany teny an-tanimbary tamin’ny andro sabata. Hoy izy ireo : « jereo… » (and 24) fa mandika ny lalànan’ny sabata ianareo . misy antony manamarina ny nihinan’ny mpianatra tamin’ny sabata , hoy i Jesoa (and26).Tsy natao hangeja sy hankaleo ny fitandremana ny sabata , izay Andriamanitra no nanome izany ho an’ny olona . Fitsaharana ao amin’i Kristy ny sabata (Heb 4.9) . I Jesoa no tena sabata fa tsy andro akory.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6