Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 1.29-45
29 Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona. 30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo. 31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy. 32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka. 33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa. 34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny. 35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. 36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany. 37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao. 38 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. 39 Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia. 40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. 41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. 42 Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. 43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay 44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. 45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 1.29-45

Nandao ny tany efitr’i Galilia i Jesoa dia nankany amin’ny tanànan’i Kapernaomy indray .

1-Nirohotra nanatona an’i Jesoa ny olona

Efa nalaza tao Kapernaomy i Jesoa ka hitan’ny olona foana izay nalehany (1.28) .Ny fampianarany feno fahefana sy ny fanasitranany no nampalaza an’i Jesoa ka nirohotan’ny olona nznatona Azy . Nataony lahimatoan’asa anefa na izany aza ny nitoriteny ho an’ireo vahoaka ireo (and2) .

Finoana no nilanja’izy efa-dahy ilay marary nanatona an’i Jesoa . Finoana no naneken’ilay malemy nolanjalanjain’izy efa-dahy nisedra ny sarotra rehetra nanatona an’i Jesoa (and4). Io finoan’izy ireo io no nanamarinan’i Jesoa ilay marary ka nitenenany taminy hoe: « Anaka , voavela ny helokao » (and5). Mahadio ny otanao rehetra i Jesoa fa manatona Azy amin’ny finoana.

2-Nantsoin’i Jesoa ho isan’ny mpianatra i Levy

Iny indray fa nankeny amoron-dranomasina i Jesoa. Nirohotra nanaraka izay nalehany ny vahoaka . Teny no niantsoany ireo mpianany 4 voalohany (1.17,20). Teo amperinasa koa i Levy no nantsoin’i Jesoa (and14). Tsy azoazon’ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesoa « niara-nipetraka tamin’ny mpanota« (and16). Ho an’ny mpanota mihitsy no nanirahana Azy. Niady ho an’ireo Izy (and18). Ho anao koa no nahatongavany . Koa miantsoa anao Izy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6