Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Aprily 2019
Marka 1.14-28
14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra 15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. 16 Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy. 17 Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. 18 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. 19 Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony. 20 Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy. 21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. 22 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy 24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. 27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. 28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 1.14-28

Tany Galilia faritany 
misy an’i Nazareta , tanàna nahabe Azy 
no nandehanan’i Jesoa nitory  voalohany  ny fanjakan’ Andriamanitra .

1-Niantso ny  mpianany voalohany  i Jesoa

Avy niasa ry i Petera sy Andrea , i Jakoba , I Jaona  no 
hitan’i Jesoa  , fa mpanarato ireo
 . Nantsoiny hanaraka Azy ireo  mba  hataony « mpanarato olona »(and17,20) . Nanaraka  an’i Jesoa ary  tsy nangataka andro ireo (and18).  Fantatra fa tsy mba nisy mpaminany avy tany
Galilia (Jao 7.52) fa nisy  mpianatr’i
Jesoa kosa. Miandry  anao i Jesoa  hanapa-kevitra hanolotra  ny fiainanao 
ho Azy ary koa hanao  izay
tiany  hampanaovina anao.

2-Nitoriteny  tao amin’ny synagoga i Jesoa

Toeram-pivavahan’ny Jiosy ny synagoga . Noroahin’ny olona hivoaka tao Izy , tany Nazareta tanàna nahabe Azy (Lio 4.28). Dia lasa nankany  Kapernaomy  Izy . Na izany aza , tsy nisalasala kely akory i Jesoa niditra indray tao amin’ny synagoga rehefa tonga tany. Nampianatra toy ny fanaony Izy (and21). Nisy lehilahy  iray azon’ny  fanahy maloto tao ka noroahany tamin’ny teny  feno  fahefana io fanahy  ratsy  io ary nanaiky Azy (and 27) . Nomen’i Jesoa fahefana hamoaka ny demonia ihany koa izay  rehetra mino  (Mar 16.15) . Ampiasao  izany fahefana izany mba hankalazana ny Anarany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6