Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Aprily 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 21.15-29
15 Ary rehefa ren'i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty. 16 Ary rehefa ren'i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy. 17 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe: 18 Miaingà, ka midìna hihaona amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy. 19 Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa. 20 Ary hoy Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah. 21 Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin'ny taranak'i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely. 22 Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely. 23 Ary ny amin'i Jezebela koa dia nolazain'i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela eny ivelan'ny màndan'i Jezirela. 24 Izay tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina. 25 Fa tsy nisy tahaka an'i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy. 26 Ary izy nanao vetaveta loatra tamin'ny 1 nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon'ny Amorita. izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely. 27 Ary rehefa ren'i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana. 28 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe: 29 Hitanao va ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny zanany vao hahatonga loza amin'ny taranany Aho.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 21.15-29

Nihatra ilay fahavoazan’i Ahaba :

1- Nifaly vetivety tsy toy inona izy .

Nilazan’i Jezebela izy fa maty i Nabota ary azony ny tany , dia lasa tokoa izy nidina haka ilay tany ho azy (and16), ary azo ampoizina fa faly izy satria tanteraka ny faniriany . Indrisy, fifaliana vetivety ihany anefa izany . Ny fifaliana tsy haharitra akory .

2-Tonga taminy ny tenin’ny Tompo .

Teny mahery milaza ny fandringanana an’i Ahaba sy ny taranany izany , tsy noho ny nangalany ny tanin’i Nabota ihany , fa noho ny fanompoan-tsampy mahatsiravina nataony indrindra koa . « Fa tsy nisy tahaka an’i Ahaba , izay nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah , satria nampirisihan’i Jezebela vadiny izy  » (and 25). I Eva no nanome ilay voankazo nandrarana ho an’i Adama (Gen 3.6) . Eto i Jezebela no nampirisika an’i Ahaba , dia roboka izy . Tandremo ny vady : fa na tiana aza , aoka tsy ho tiana mihoatra noho ny Tompo . Ary nahazo teny fandringanana manokana sy mahatsiravina i Jezebela noho izany (and23) .

3-Nahay nibebaka i Ahaba.

Anisan’ny andalan-teny mamirapiratra indrindra amin’ny tantaran’i Ahaba io and27 io. Nibebaka izy , ary nanohina ny fon’ny Tompo izany ka namindrany fo taminy . Isika koa , raiso amin’ny finoana ny 1 Jao 1.9.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3