Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Aprily 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 20.31-43
31 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny taranak'Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana* ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. [Heb. lamba malailay] 32 Dia nosikinany lamba fisaonana* ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin'i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.[Heb. lamba malailay] 33 Ary nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy izany*, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin'ny kalesiny.[Heb. nanao sikidy] 34 Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin'izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy. 35 Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy. 36 Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon'i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan'ny liona ka novonoiny. 37 Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra. 38 Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin'ny handriny tsy hahafantarany azy. 39 Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin'ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao. 40 Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany. 41 Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin'ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan'ny Isiraely fa isan'ny mpaminany izy. 42 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina* tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.[Heb. nataoko herema] 43 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 20.31-43
Nandresy i Ahaba saingy tsy nahay nandresy
1-Tsy namono an’i Beni-hadada izy .
Fahavalo tena ratsy i Beni-hadada ary efa nasain’ny Tompo novonoina (and42). Tsy izany anefa no nitranga fa nentin’ny hatsaram-po diso toerana izy ka namela azy ho velona . Eo amin’ny fiainam-panahintsika , tandremo: aza andeferana mihitsy ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy : »mialà amiko no teny hataonareo aminy« , hoy i Isaia 30.22.
2-Naniraka mpaminany hiteny azy ny Tompo .
Tsy mora moa ny miteny , na dia amin’ny Anaran’ny Tompo aza rehefa mpanjaka no hitondrana teny , indrindra koa ka teny mafy no hambara. Koa nitady fomba maharary (ara-bakiteny) ity mpaminany ity . Ny tenany mihitsy no nataony niharan’ny fahavoazana . Rehefa nihaona tamin’i Ahaba izy dia nody olon-kafa , ka azon’ny mpanjaka ny hevitra vao niseho tamin’ny maha- mpaminany azy . Ny heviny dia izao : ilay nasaina nitana ny babo ka nilazana hoe : « hazony ity , fa raha lasa izy dia ny ainao no asolo ny ainy » , rehefa tsy nahatandrina fa lasa nitsoaka ilay babo , dia mendrika ho faty . Avy amin’izany no nanatsoahan’ity mpaminany ity ny hafatra hoe : ianao io ry mpanjaka , i Beni-hadada izay natolotra teo anoloanao tsy novonoinao ka dia ianao izao no mendrika ho faty. Dia nody tany an-trano i Ahaba « sady nalahelo no sosotra » (and43)
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3