Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 19,11 - 21
11 Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany; 12 ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy. 13 Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona at? ianao ry Elia ? 14 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy. 15 Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria; 16 Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao. 17 Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa. 18 Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy. 19 Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy. 20 Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho? 21 Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny* tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 19.11-21
Mahatalanjona ny fomba fiasan’ Andriamanitra
1-Nampitony ny mpanompony izy. Ilay Elia nirehidrehitra te-hahita ny fiovam-pon’Israely sy ry Ahaba , kanjo diso fanantenana ka nangataka ho faty , injao notoneny tamin’ny feo nitsoka malefaka . Mbola nanontaniany indray izy ary afaka nandoatra ny tao am-pony . Endrey izany fitiavan’ny Tompo ny mpanompony . Ianao koa, rehefa tojo adim-panahy , tsarovy fa tian’ny Tompo ny mihaino anao . Borahy Aminy mba hitsenany anao aminn’y fiadanany.
2-Nomeny iraka vaovao hotanterahiny izy. Hitan’ny Tompo ny fahamarinan’ny fitiavan’i Elia Azy. Ianao ve mba afaka miteny toa azy hoe: « nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’i jehovah » (an14) . Dia nasehony azy fa mbola mametraka ny fitokisany aminy izy. Toy ny miteny ny Tompo hoe: »mbola ilaiko ianao , mitsangàna » . Tenin’ny Tompo aminao koa izany rehefa mahatsiaro drodroka ianao eo amin’ny asany . Dia nahitsiny izy : i Elia nihevitra hoe: »izy irery » sisa no tia ny Tompo . NyTompo kosa nilaza fa mbola misy 7000 lahy . Maneke hahitsin’ny Tompo .
3-Nandeha tsy nisy hataka andro i Elia . Dia lasa izy raha vao nahazo baiko na dia iraka saropady indray aza no nomena hataony , hanosotra ny mpanjakan’i Syria , ny mpanjakan’Israely ary ny mpaminany handimby azy . I Elia no vaolohany hitany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3