Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 18.30-46
30 Ary hoy Elia tamin'ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran'i Jehovah izay efa rava 31 ka naka vato roa ambin'ny folo, araka ny isan'ny firenen'ny zanak'i Jakoba, izay nihavian'ilay tenin'i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao; 32 ary izany vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy* voan-javatra indroan'ny famarana**. [*Na: mahalany][**Heb. sea] 33 Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr'ombilahy ka nametraka azy teo ambonin'ny kitay hazo, 34 dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa. 35 Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely. 36 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. 37 Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray. 38 Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely. 39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra. 40 Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin'i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin'ny olona izy; ary nentin'i Elia ho eo amin'ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo. 41 Ary hoy Elia tamin'i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be. 42 Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon'i Karmela, dia niankohoka tamin'ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan'ny lohaliny 43 Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito. 44 Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin'i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan'ny ranonorana ianao. 45 Ary vetivety dia maintin'ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin'ny kalesy ka nankany Jezirela. 46 Ary ny tànan'i Jehovah dia tao amin'i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.Fandalinana
ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 18.30-46
Raha tsy ireo mpaminanin’I Bala
, nanao ahoana kosa I Elia?
- Nijoro nanao ny alitaran’I Jehovah I Elia. Nataony tamin’ny fomba ara-dalàna sy ara-potoana ary maharesy lahatra izany . Ara-dalàna satria vato 12 araka ny isan’Israely no nanaovany azy (and31). Ara-potoana , satria nataony nifanojo tamin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva ny famitana azy (and36). Ary maharesy lahatra satria , na dia fanatitra ilana afo aza no natao dia nasainy notondrahana rano intelo ho vonto mihitsy ny fanatitra , ny alitara ary ny hady kely.
- Nivavaka I Elia . Fohy nefa lalina ny vavaka nataony :nampahatsiahy fa tsy fahasahisahiam-poana izao fa noho ny Tenin’ Andriamanitra nibaiko azy ; Ary izao no natao dia ny hampiverina ny Israely amin’ny Tompo ka hampibebaka azy ireo .Ny vavaka tsara dia miorina mandrakariva amin’ny tenin’ Andriamanitra.
- Nandresy I Elia. Nilatsaka tokoa ny afon’ny Tompo. Niaiky ny vahoaka : “I Jehovah ! Izy no Andriamanitra (and39). Naringan’I Elia ireo mpaminanin’ny Bala . Nivavaka indray izy .Nitatao ny orambe.Nihazakazaka izy ary nahery nandeha noho ny soavalin’I Ahaba . Fandresena miezinezina izany . Tsarovy koa ny Tenin’i Jesoa ao amin’ny Jao 16.33sy ny tenin’I Paoly :Rom 8.37
“Raiso ny Tenin’ Andriamanitra” Boky
faha- 3