Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 18.1-16
1 [Ny nihaonan'i Elia tamin'i Ahaba. sy ny nandreseny ny mpaminanin'i Bala] Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Jehovah tamin'ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho. 2 Dia niainga Elia hiseho amin'i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria. 3 Ary Ahaba niantso an'i Obadia, izay lehiben'ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an'i Jehovah tokoa, 4 ka nony naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo). 5 Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin'ny loharano rehetra sy hatrany amin'ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika. 6 Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin'ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin'ny lalana iray. 7 Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko? 8 Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia. 9 Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan'i Ahaba hamonoany ahy? 10 Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan'ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy. 11 Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia. 12 Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin'ny Fanahin'i Jehovah any amin'izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin'i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an'i Jehovah hatry ny fony mbola kely. 13 Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin'i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo? 14 Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba. 15 Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio. 16 Dia lasa Obadia nitsena an'i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an'i Elia.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 18.1-16
Andeha hianatra amin’ny Tompo indray fa:
1-Tompon’ny fahefana rehetra ny Tompo. Rehefa tiany asiana amin’ny mosary ny tany dia asiany rehefa tiany hofaranana izany dia faranany : »handatsaka ranonorana amin’ ny tany Aho » , hoy Izy (and1). Mampieritreritra antsika ny amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenentsika izany . Fa araka ny Deo 28.12,24 dia arakaraka ny hihainoana na tsia ny Tompo no handraisana fitahiana na ozona isian’ny ranonorana na haintany .
2-Mahatahiry mpanompo mahatoky ho Azy ny Tompo . Ao amin’ny lapan’i Ahaba mpanjaka mpanompo sampy no isian’i Obadia mpanompon’ Andriamanitra mahatoky . Eny , tena azo atao tokoa mantsy ny hijoro amin’ny finoana , na miara-monina sy fehezin’olona tsy matahotra an’ Andriamanitra aza. Izany dia mampahatsiaro antsika an’i Noa, ilay lehilahy marina teo anivon’ny fiaraha-monina mendrika fandringanana (Gen 6.9-13) na i Lota (2 Pet 2.7-8) . I Obadia dia sahy nanafina mpaminany 100 lahy sy namatsy mofo sy rano azy ireo .Fahasahiana lehibe izany satria fihaikana an’i Jezebela , vadin’ny mpanjaka , izay nampamono ireny mpaminany ireny . Ianao koa , mijoroa. Fantatry ny Tompo izay ataonao ho voninahitry ny Anarany , aza miova , miorena tsara ! (1 Ko 15.58).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3