Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 16.29-34;17.1-6
29 [Ny niantombohan'ny nanjahan'i Ahaba tamin'ny Isiraely] Ary Ahaba, zanak'i Omry, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy. 30 Ary Ahaba, zanak'i Omry, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany. 31 Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata. ka dia nampakatra an'i Jezebela, zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany. 32 Ary nanao alitara ho an'i Bala tao amin'ny tranon'i Bala izay nataony tao Samaria izy. 33 Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra izay teo alohany. 34 Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i AbĂŹrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.Fandalinana
ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 16.29-34;17.1-6
Tantara vaovao sy ho
lava no arahintsika manomboka eto:
1-Ny
tantaranâI Ahaba .
Tantara miavaka ity
tantarany ity satria voalaza hoe:
â Ary Ahaba zanakâI Omry
nanao izay ratsy teo masonâI Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohanyâ
(and30). Tompondaka aminâny
faharatsiana I Ahaba. Ary atolotra antsika eto aloha ny fototrâ izany dia I Jezebela vadiny. Fieritreritra:
inona re no mba maha-tompondaka ahy raha mitaha aminâireo teo alohako e! Ary koa , vady mahafaly sa
mampalahelo an âAndriamanitra no fidiko ho vady?
2-Ny
tantaranâI Elia.
Tantara tena miavaka koa ny tantarany . Hitantsika izany eto:
sahy miteny mahitsy
ny mpanjaka izy fa ho tonga ny haintany . Ny tsy nambarany dia ny hoe: noho ny fahotana nataonao.
Hitantsika koa ny fiavahany aminâizato
fomba itondranâ
Andriamanitra azy : nirahina hovelominâny
goaika sy ny renirano. Moa tsy izao va
no porofonâny fanomezan-toky nomenâI Jesoa antsika hoe: âAry
noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny aminâny ainareo dia izay hohaninareo
na izay hosotroinareo , na ny aminâny tenanareo dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny
hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?â(Mat 6.25)
âRaiso ny Teninâ Andriamanitraâ Boky faha- 3