Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Talata, faha 19 Martsa 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 14.21-31;15.1-8
21 [Ny nanjakan-dRehoboama tamin'ny Joda] Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. 22 Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin'ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon'ny razany. 23 Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha* teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny] 24 Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy. 25 Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema; 26 dia nobaboiny ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon'i Solomona 27 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka 28 Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia nentin'ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray. 29 Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 30 Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama. 31 Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 14.21-31;15.1-8

Ny tantaran’i Rehoboama zanak’i Solomona kosa no hitantsika eto :

1-Namela ny Israely hanao izay ratsy i Rehoboama

Mariho ny fitantarana eo amin’ny and 22-24 fa tsy i Rehoboama mivantana akory no resahiny eo , fa ny Joda , izany hoe: ny vahoaka. Ampianarin’izany antsika fa ny hahafantarana ny mpitondra ratsy dia ny famelany ny vahoaka hanarampo hanao izay ratsy eo imason’ Andriamanitra . Teo an-tànany ny fahefana hanakana izany , saingy nijery fotsiny izy . Isika rehetra manana ndrikitra : haintsika ve ny mampiasa izany tsy hamelana ny olom-pehezintsika hanarampo amin’ny ratsy ?

2-Vokany : tonga ny famaizan’ny Tompo .

Ambaran’ny and 25-27 fa tonga i Sisaka , mpanjakan’i Egypta , dia nandroba ny tranon’ny mpanjaka ary ireo ampinga volamena . Na tsy lazain’ny mpanoratra mivantana aza dia valin’ny ratsy nataon’i Joda izany. Fampitandremana ho antsika izany : mety omen’ny Tompo harena samihafa ianao izao , fa raha miala Aminy ianao , dia halàny aminao koa ireo . Dia varahina no nataon’i Rehoboama ho solon’ireo volamena . Hikorosy ny fiainanao . Mampalahelo fa na ny zanany nandimby azy koa aza nanota . Ohatra : manao ahoana no omenao harahin’ny zanakao ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3