Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 14.1-20
1 [Ny nanjakan'i Jeroboama tamin'ny Isiraely] Tamin'izany andro izany dia narary Abia, zanak'i Jeroboama. 2 Ary hoy Jeroboama tamin'ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho. 3 Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza. 4 Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany. 5 Ary Jehovah efa nilaza tamin'i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny amin'ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa. 6 Ary nony ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao. 7 Koa mandehana, ka lazao amin'i Jeroboama hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin'ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko, 8 ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany; 9 fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao: 10 koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony. 11 Koa izay tamingan'i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny. 12 Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza. 13 Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 14 Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an'ny Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama amin'izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany. 15 Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony*, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah. [Eofrata] 16 Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely. 17 Dia niainga ny vadin'i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin'ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy; 18 dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany mpanompony. 19 Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. 20 Ary ny andro nanjakan'i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 14.1-20
Singanintsika amin’izay novakintsika ireto :
1- Tsy manova ny maha-mpaminanin’ny Tompo azy ny fahantran’ny mpanompony.
Tsy hanontany isika hanao hoe: nahoana re i Ahia mpaminany no dia pahina ny masony noho ny fahantrany » (and4). Fa izao :tsy niova ny maha-mpaminany marina azy . Fampaherezana ny mpitory ny Filazantsara mety hahita fahantrana izany . Aza miova fa torio marina ihany ny Tenin’ny Tompo.
2-Tsy miova mihitsy ny fepetran’ Andriamanitra .
Nanota i Solomona tany aloha dia naniraka niteny azy ny tompo ; izao indray : nanota i Jeroboama dia naniraka olona hiteny azy mafy koa ny Tompo. Mahamenatra fa tsy miova amin’ny fahamarinana takiny ny Tompo ary tsy miova amin’ny fahamafim-pony koa na dia ny olona notahiany sy nasiany soa manokana aza.
3-Nalain’ Andriamanitra ilay zaza tsara tao anaty fanakaviana ratsy . Mampieritreritra lalina ny filazana momba an’i Abia, zanak’i Jeroboama manao hoe: « amin’ny tamingan’i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana , satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely » (and13) .Hay ve misy olona tsara alain’ny Tompo noho ny fahatsarany e!
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3