Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 13.20-34
20 Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'i Jehovah; 21 ary izy niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, 22 fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao. 23 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany naveriny. 24 Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan'ny faty. 25 Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran'ilay mpaminany antitra. 26 Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin'Andriamanitra nandà ny tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa nolazainy taminy. 27 Ary izy niteny tamin'ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy. 28 Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky. 29 Ary nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy. 30 Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian'ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko! 31 Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin'ny fasana izay ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny taolako; 32 fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria. 33 Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany*, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo. [Heb. nofenoiny ny tànany] 34 Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 13.20-34
Tohin’ilay tantara mampieritreritra omaly ity :
1-Tonga ny tenin’ny Tompo ho an’ilay mpaminany tsy mankato:
Mampalahelo fa voafitak’ilay noheveriny ho mpaminany marina ilay lehilahin’ Andriamanitra . Lehilahin’ Andriamanitra nanehoan’ny Tompo ny vininahiny izy teo anatrehan’ny mpanjaka , kanjo izao iharan’ny teny mafy avy aminn’y Tompo izao koa. Mitandrema isika fa mety hampiasa antsika ny Tompo , ary hahomby tokoa isika , kanefa ny tenantsika koa aza lavina . Ahoana ? hoy i Paoly . Vakio : 1 Kor 9.27
2-Tanteraka ilay didy fanamelohana ho faty .
Maty tamin’ny fomba mahatalanjona ilay lehilahin’ Andriamanitra : matin’ny liona izy dia nijanona teo amin’ny toerana nahafatesany ny boriky nitaingenany , ary nijanona teo anilany koa ilay liona , nefa tsy namiravira ilay boriky sady tsy namiravira ny fatin’ilay lehilahy. Dikany : fiasan’ny Tompo ihany ilay liona hanehoany ny fahefany . Ho antsika: raha mpaminany aza ataon’ny Tompo toy izany rehefa tsy mankato, ahoana kosa no mety hihatra amintsika raha miala Aminy? Ahoana koa hoy i Jesoa ? Vakio : Lioka 23.31. Sangy , na teo aza izany zava-maningana nitranga izany , nanova an’i Jeroboama ve izany ? Indrisy! tsia! (and33-4). Ary ianao , mba ahoana ?
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3