Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Martsa 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 12.1-15
1 [Ny niodinan'ny firenena folo, sy ny niandohan'ny fanjahan'Isiraely] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy. 2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; 3 ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe: 4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay. 5 Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa at? amiko indray. Dia lasa ny olona. 6 Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka? 7 Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. 8 Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy 9 ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay 10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko; 11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo. 12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa at? amiko indray amin'ny andro fahatelo. 13 Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy 14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo. 15 Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 12.1-15

Maty i Solomona . I Rehoboama zanany izao no mpanjaka nandimby azy :

1-Mpanjaka tsara fiandoha. Voambara eto fa ny « ny Israely rehetra  » no nampanajaka an’i Rehoboama. Ary tsara izany satria mbola voatana ny firaisan’ny firenena araka ny nisy tamin’ny andron’i Solomona . Mazàna ihany ny fitondrana no tsara fiandoha toy izany : manomboka amin’ny zavatra tsara . Matetika ihany koa anefa no tsy voatana izany tsara teo am-piandohana izany .

2-Mpanjaka diso fifidy mpanolo-tsaina . Ny fangatahan’i Jeroboama dia fanamaivanana ny fanompoana . Hendry ny fanapahankevitr’i Rehoboama fa tsy maika hamaly izy . Nila saina tamin’ny tanora namany izy ary nifandinika tamin’ireo zokiolona . Ny zokiolona nanao : ekeo ny fangatahan’ny vahoaka. Ny tanora nanao hoe : aza ekena fa mainka koa tereo ny vahoaka . Fieritreritra ho an’ny mpitondra tanora izany , fandrao ratsy mpanolo-tsaina ka manaonao foana . Hoy i Petera: »Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa dia maneke ny loholona . Eny , samia misikina fanetretena ianareo… » (1 Pet 5.5).

3-Mpanjaka voaozona . Hoy ny and 15 : « avy tamin’i Jehovah izany zavatra izany » . Indrisy , hihatra amin’i Rehoboamana ny faminaniana ratsy vokatry ny fahotan’i Solomona rainy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3