Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Martsa 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 10.14-29
14 [Ny varotra nataon'i Solomona mbamin'ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato, 15 afa-tsy izay azony tamin'ny mpandranto.sy ny tamin'ny varotry ny mpivarotra ary tamin'ny mpanjakan'ny firenena samy hafa rehetra sy tamin'ny mpanapaka ny tany. 16 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray. 17 Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo. 18 Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra. 19 Nisy ambaratonga enina tamin'ny seza fiandrianana; ary ny lohan'ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin'ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana. 20 Ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra. 21 Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona. 22 Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola*.[pavo] 23 Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany. 24 Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony. 25 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra. 26 Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema. 27 Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*.[Heb. Sefela] 28 Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry. 29 Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 10.14-29

éAry Solomona mpanjaka dia nanakarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany  » (and23)

1-Ny harena nitobaka . Tsy hita intsony ny volamena , volafotsy , hazo sarobidy , ny ivoara…Tsarovy kosa fa ho antsika ny tsodrano hoe:  » Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa » (Fil 4.19).

2-Ny zava-kanto , fatratra! Ilay fiakarana ho eo amin’ny seza fiandrianana voaravaka lohan-diona dia tsy jisy toa aza (and 19-20). Toy izany koa ireo fanaka samihafa . Izao kosa no hafatra ho antsika : »na inona na inona marina , na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy , na inona na inona madio , na inona na inona maha-te ho tia , na inona na inona tsara laza , raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera dia hevero izany (Fil 4.8).

3-Ny fitaovam-piadiana betsaka : Ampinga volamena efa ho 500 sy kalesy 1400 samy hary fomba no nananany. Fa isika kosa hafarana hoe: « Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra , mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly » (Efes 6.11) . Fa mihoatra noho ireo , vakio ny and 24.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3