Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Febroary 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 7.1-12
1 [Ny nanaovan'i Solomona ny lapany] Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita. 2 Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry. 3 Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra. 4 Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo. 5 Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo. 6 Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io. 7 Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra*.[Na: na ny gorodony, na ny rihana] 8 Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady. 9 Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja lehibe. 10 Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho. 11 Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera; 12 ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny trano.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 7.1-12
Nitohy ny asa fanorenana lehibe nataon’i Solomona :nanao ny lapany izy eto .

1-Vita ny tempoly vao nanao ny lapany izy .Lesona lehibe ho antsika izany fa fampianarana antsika hanao ho laharam-pahamehana ny an’ny Tompo aloha , vao ny antsika manokana . Fahalemena mahazo mpivavaka maro ihany izao : mandefitra ny an’ny Tompo fa ny an’ny tena no mahamaika . Nitranga izany tamin’ny andron’i Hagay ka nahatonga ny teny hentitra nampitondrain’ny Tompo azy hoe: »Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao , kanefa rava ity trano ity? » (Hagay 1.4).
2-Naharitra ela kokoa ny nanaovany ny lapany .Ny fiafaran’ny toko faha-6 dia nilaza fa 7 taona no nanaovana ny tempoly . Ny fiandohan’ny toko faha- 7 kosa dia milaza amintsika fa 13 no nanaovana ny lapan’ny mpanjaka . Novitaina tsy nisy hataka andro ny an’ny Tompo ary tsy nampaninona na niadana kokoa aza ny nanaovana ny lapa. Mbola mariky ny fanomezan-danja ny asan’ny Tompo ihany izany . Lehibe sy sarotra kokoa ny fanamboarana ny tempoly , saingy 7 taona dia vita . Manambara ny herimpo sy fifantohana nafantoka tao mba hahavitana azy izany . Mivavaha mba hiasantsika toy izany koa eo amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-3