Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Febroary 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 6,1 - 14
1 [Ny nanaovana ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta tamin'ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely, dia nanorina ny tranon'i Jehovah izy. 2 Ary ny trano nataon'i Solomona mpanjaka ho an'i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony. 3 Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan'ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan'ny trano ihany. 4 Ary ny varavarankelin'ny trano nataony makarakara tsy mivoha. 5 Ary tamin'ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin'ny ati-trano lehibe, na amin'ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina; 6 ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan'ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin'ny rindrina. 7 Ary tamin'ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy. 8 Ny varavarana mankao amin'ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin'ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin'ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin'ny fahatelony. 9 Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon'ny trano. 10 Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny trano. 11 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Solomona nanao hoe: 12 Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao; 13 ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko. 14 Ary nataon'i Solomona ny trano, ka dia vitany.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 6.1-14
Ny toko faha- 5 dia nahitantsika ny fiomanan’i Solomona hanao ny tempoly tamin’ny fandaminana izay hahazoana ny vato sy ny hazo ary ny mpiasa . Eto kosa dia hitantsika ny nanaovana ny tempoly .
1-Fahatanterahan’ny tenin’ny Tompo izao . Nampahtsiahivin’i Solomona tao amin’ny 5.19 ilay tenin »ny Tompo nanao hoe: « ny zanako izay hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao handimby anao , izy no hanao ny trano ho an’ny Anarako« . Koa tena fiarahany miasa amin’ny Tompo izao asa izao . Isika koa , meteza ho mpiara-miasa amin’ Andriamanitra araka ny filazan’i Paoly (1 Kor 3.9) ho fampandrosoana ny fiangonana , izay nambarany hoe: « trano arafitr’ Andriamanitra ianareo »
2-Sady miasa no mihaino ny Tompo . Hoy ny and 11: « Ary ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Solomona« . Tsy avelan’ny Tompo ho variana amin’ny fanaovana asa fotsiny isika , fa ampahatsiahiviny hanaraka ny teniny . Indraindray tokoa manko , ny asa no mibahana fa hadino ny mihaino ny Tompo, nefa ny fanarahana ny tenin’ ny Tompo , ny fankatoavana ny didiny no antoka itoerany eo amintsika , araka ny teniny hoe: »tsy hahafoy ny Israely oloko » Aho. Fa raha tsy mitoetra eo amintsika ny Tompo , hatao inona moa ny asa vitantsika , na miezinezina toy inona aza?
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3