Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Febroary 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 3.16-28
16 [Ny nisehoan'ny fahendren'i Solomona tamin'ny nitsarany azy roa vavy ny amin'ilay zaza maty] Ary tamin'izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin'ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany. 17 Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy. 18 Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany. 19 Ary maty tamin'ny alina ny zanak'izavavy ity, fa voatsindriny. 20 Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako. 21 Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako. 22 Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan'ny mpanjaka. 23 Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. 24 Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan'ny mpanjaka. 25 Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an'ny anankiray kosa ny antsasany. 26 Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy. 27 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny. 28 Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 3.16-28

Tonga àry ny fotoana hisehoan’ilay fahendrena nangatahin’i Solomona .

1-Inona no nitranga?

Vehivavy mpivarotena roa , samy niteraka no niara-nitoetra , saingy fetsy ratsy ny iray ka raha maty voatsindriny tamin’ny alina ny zanany dia natakalony ny zanaky ny namany . Tonga teo anatrehan’ny mpanjaka ny raharaha ,satria tsy nanaiky ilay tena tompon-janaka velona.

2-Inona no nataon’i Solomona?

Itondray sabatra aho, hoy izy : hosasahana roa ny maty , samy hanana , ary toy izany koa ny velona , samy hanana. Faly ilay mpisandoka ka nanaiky , fa nangotsoka kosa ny fon’ilay tena tompon-janaka ka nandà izy .Teo nahita’ny mpanjaka ny hoe: iza no tena renin’ilay zaza velona . Fa tsy misy reny hahazaka hahita ny zanany horasaina izany akory. Niampanga tena ho tsy reny ilay nanaiky , ary tsy afa-nanafina ny maha-reny marina azy ilay nandà. Mivavaha mba hanomezan’ Andriamanitra fahendrena ambony, tsy azo iadian-kevitra , tena manaja ny fahamarinana toy izany , ho an’ny mpitondra ny tany sy ny firenena . Mivavaha manokana mba ho hendry toy izany ireo rehetra miasa ao amin’ny fitsarana.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3