Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Talata, faha 19 Febroary 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 2.1-12
1 [Ny hafatra nataon'i Davida tamin'i Solomona, sy ny nahafatesany] Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe: 2 Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy. 3 Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, 4 mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao. 5 Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony. 6 Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita* amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.[Heb: Sheola] 7 Fa ny zanak'i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko, fony nandositra an'i Absaloma rahalahinao aho. 8 Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra ianao. 9 Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin'ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola] 10 Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany ka nalevina ao an-Tanànan'i Davida. 11 Ary ny andro nanjakan'i Davida tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona. 12 [Ny nataon'i Solomona hampiorina tsara ny fanjakany] Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsaraFandalinana ny Boky 1
Mpanjaka
1 Mpanjaka 2.1-12
Fianarana
lehibe no avelan’ity fara-hafatra nataon’I
Davida ity :
1-Mahereza: Misehoa ho lehilahy (and 2). Tena mila zany fampaherezana izany I Solomona izay vao nandray fanjakana. Tsy zava-mora manko izany mitondra fanjakana izany. Adidin’ny zoky sy ray aman-dreny ny mampahery ireo zandry sy zanaka mandimby eo amin’ny andraikitra lehibe ankinina amin’izy ireny , satria toerana ifandimbiasana rahateo ny asa amihafa.
2-Tandremo ny Tenin’ Andriamanitra.”Ary tandremo izay asain’i Jehovah Andriamanitrao ho tandremana …mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra alehanao”(and 3) hoy I Davida. Tena ny fanalahidin’ny fahombiazana mihitsy no nomeny an’I Solomona eto, toy ny nampitan’i Mosesy izany tamin’i Josoa nandimby azy koa (Jos 1.7). Ary marina ho anao koa izany : te-hahomby ve ianao? Araho ny sitrapon’ Andriamanitra voalazan’ny Baiboly .
3-Mahaiza mitsara marina. Izany no dikan’ireo hafany momba ireo olona voatonona anarana manokana : ny nanao ny tsara , ny hotohizana hovaliana soa, ny nanao ny ratsy tsy maintsy hofaizina. Tsy azontsika adinoina koa mantsy izany rehefa ho avy ny Tompo Jesoa dia hitsara ny olona rehetra araka ny asany (Apo 22.12).
“Raiso ny Tenin’ Andriamanitra”Boky faha- 3