Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Febroary 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 1.38-53
38 Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana*, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.[Heb. Keretita sy Peletita] 39 Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka! 40 Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro* ny tany noho ny feony.[Heb. nitresaka] 41 Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e? 42 Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao. 43 Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka. 44 Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy. 45 Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika ter? ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo. 46 Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana. 47 Ary dia tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon'Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka 48 ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako androany, sady hitan'ny masoko koa izany. 49 Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain'i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy izy rehetra. 50 Ary Adonia koa natahotra an'i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara. 51 Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra. 52 Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy. 53 Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 1.38-53

Mifarana hatreto ilay fanonganam-panjakana nataon’i ADONIA

1-Voahosotra ho mpanjaka ara-dalàna i Solomona.Tsy rentsika niteny izy tamin’izao raharaha lehibe izao . Nanaraka fotsiny izay nitarihana azy izy . Mivavaha mba hananantsika mpitondra toy izany :olona tsy matimatim-pahefana, olona voahosotry ny Tompo tokoa no hitondra ny tany sy ny firenena, olona vonon-kanaraka tokoa ny fandaminan’ Andriamanitra no hitondra antsika .

2-Saika nidiran-doza i Adonia.

I Adonia dia nanandra-tena ho mpanjaka . Dia tanteraka taminy tokoa ilay tenin’i Jesoa hoe:« izay manandratena no haetry » (Mat 23.12 ). Nandao azy avokoa ireo olona nasainy . Fihetsika mandeha ho azy amintsika ny mandao izay heverintsika ho resy . Izany dia toy ny nataon’ireo mpianatr’i Jesoa rehefa nosamborina izy (Mar 14.50). Ianao koa , raha mbola misy azo hohanina eo aminao dia hitangorona aminao ny manodidina anao ny olona fa rehefa lasa izany dia ilaozany ianao.Koa miambena ! Soa ihany fa nangataka famindrampo tamin’i Solomona mpanjaka izy , ary soa ihany fa hendry i Solomona ka tsy nanomboka ny fotoam-panjakany tamin’ny fandatsahan-drà.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3