Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Febroary 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 1.1-21
1 [Ny niodinan'i Adonia, sy ny nanosorana an'i Solomona ho mpanjaka] Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana. 2 Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko. 3 Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka. 4 Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy. 5 Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy. 6 Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma. 7 Ary efa niresaka tamin'i Joaba, zanak'i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin'i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy. 8 Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia. 9 Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka; 10 fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy. 11 Ary Natana niteny tamin'i Batseba, renin'i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy fantatr'i Davida tompontsika akory izany? 12 Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanakao. 13 Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka? 14 Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao. 15 Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy. 16 Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao? 17 Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako. 18 Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko. 19 Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy. 20 Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao. 21 Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 1.1-21
1 Mpanjaka 1.1-21
Efa tena antitra i Davida mpanjaka ary miseho sahady ny ady seza ny amin’izay handimby azy, na dia mbola eo amin’ny seza fiandrianana aza izy . Inona avy no lesona ho antsika eto?
1-Tanteraka ny teny nataon’ny Tompo . Hitantsika ao amin’ny 2 Sam 12.11 ilay teny maharary hoe: »izao koa no lazain’i Jehovah: indro , Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany » ho valin’ny namonoany an’i Oria sy ny nijangajangany tamin’i Batseba . Tanteraka izany eto ka i Adonia zanany ihany izao mitsangana hanongana azy izao . Mitandrema koa isika !
2-Diso hanta i Adonia. Manaitra antsika ny mamaky eo amin’ny and 6 hoe: « Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy akory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? « . Izao no voka-dratsin’izany : zatra nampihantaina loatra i Adonia ka ny fanjakana avy no tiany hodongiana fotsiny izao . Tandremontsika Raiamandreny ny toy izany fa isika ihany no ho voa.
3-Soa fa misy ny mpanolotsaina hendry. Nahalala ny teny fikasana i Natana ka tsy nangina fa nanolo-kevitra an’i Batseba mba hamerenana ny zavatra rehetra amin’ny laoniny . Ilaintsika hatrany ny mihaino ny mpanompon’ny Tompo hanarahantsika ny teniny .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3