Fandalinana ny Boky 2 Samoela
Mofonaina anio: Talata, faha 12 Febroary 2019
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 24.1-10
1 [Ny nanisana ny olona, sy ny aretim-be nanjo azy tamin'izany] Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra indray tamin'ny Isiraely, ka dia nanome saina an'i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin'ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda. 2 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba, komandin'ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen'isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany. 3 Fa hoy Joaba amin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan'ny mason'ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany? 4 Nefa tsy azon'i Joaba sy ny komandin'ny miaramila nolavina ny tenin'ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin'ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin'ny Isiraely. 5 Ary nita an'i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan'ilay tanàna afovoan'ny lohasahan-driak'i Gada, dia nankany Jazera. 6 Dia tonga tany Gileada izy, tany amin'ny tamin'i Tatima-hodsy*, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,[Na: tany amin'ny tany lemaka vao azo] 7 ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin'ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin'ny tany atsimo izay an'ny Joda hatrany Beri-sheba izy. 8 Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro. 9 Dia natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra* tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny Joda.[Heb. mpanatsoaka sabatra] 10 Ary ny eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 24.1-10
Tantara mampalahelo indray no hitantsika eto:
1-Resin’ny fiavonavonana i Davida . Ny fanisana ny vahoaka lazaina eto dia tsy fanoherana ny fanaovana antontanisa toy izany na ny bokin’i Nehemia na Ezra … Ny loza teto dia ny zavatra nanetsika an’i Davida hampanao azy : nampanao ny fanisana izy mba hireharehany ho mpanjaka lehibe, manana vahoaka betsaka sy tafika mahery . Tonga fiavonavonana hanakonana ny Voninahitr’ Andriamanitra izany .
2-Resin’ny fakampanahy i Davida. Mariho fa ny filazana hoe: nanome saina an’i Davida hampanao izany ny Tompo, eo amin’ny and1, dia tsy mahafa-tsiny azy . Lazain’ny 1 Tant 21.1 fa i satana no nomen’ny Tompo fahafahana haka fanahy azy , ary nanaiky ho resin’ilay fakampanahy i Davida. I Jesoa koa dia nentin’ny Fanahy halain’i satana fanahy, saingy nandresy Izy (Mat 4.1,11).
3-Soa fa mahay nifona nalaky i Davida. Tsaroany ny fahadisoany ka nifonany (and10). Mpitondra « velona eritreritra« mantsy izy ka , na teo aza ny fakampanahy nandresy azy , tsy namono ny fieritreretany izany , fa nahay niaiky ny fahadisoana nataony izy . Mivavaha mba hananantsika mpitondra velona eritreritra toy izany koa hiadanantsika.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3