Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Febroary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 23.1-7
1 [Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc] 2 Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako; 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra; 4 Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana. 5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? 6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy; 7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona*; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona]

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 23.1-7

Ny farateny nataon’i Davida eto dia voamarik’ireto teny 3 lehibe ireto :

1-Ny Fanahin’i Jehovah (and2). « Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy » , hoy izy (and2); Fa tsy misy tokoa afaka manao ny sitrapon’ Andriamanitra marina raha tsy ny Fanahy masina no mitarika azy . Fa mampieritreritra ny mpamorokirantsika manokana koa izany : i Davida dia mpanao fihirana mahafinaritra » satria nentanin’ny Fanahy masina. Afa-miteny toy izany avokoa ve ny mpamorokirantsika?
 
2-Fahatahorana an’ Andriamanitra (and3). 

Io  no fanalahidin’ny herin’i Davida satria satria izany no nananany fahendrena (Oha 9.10) . Enga anie mba ho olona toy izany koa ireo mpitondra antsika : manapaka amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra » fa hisy fitahiana marina ho an’ny firenena raha izany (and4).

3-Fanekena (and5).

« Fa nekena mandrakizay no nataony tamiko » , hoy izy. Nanao fanekena taminy tokoa manko ny Tompo ( 2 Tant 21.3) ary fantany fa mahatoky ny Tompo , tsy mivadika amin’izany . Koa mifikitra amin’izany izy. Isika koa , manana ny fanekena vaovao ao amin’ny Ran’i Kristy (Lio 22.20) . Koa aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany fa mahatoky ilay efa nanao ny teny fikasany  » (Hebreo 10.23).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3