Fandalinana ny Boky 2 Samoela
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Febroary 2019
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 22.31-51
31 Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy. 32 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? 33 Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany Izy. 34 Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy. 35 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko. 36 Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. 37 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. 38 Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany. 39 Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin'ny tongotro izy. 40 Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. 41 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy. 42 Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an'i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy. 43 Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako. 44 Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. 45 Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy. 46 Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao* amin'ny fiarovany mafy.[Izahao Sal. xviii.46. Ny dikan'ny teny Hebreo eto dia misikina avy ao, etc] 47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, 48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy, 49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe; 50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. 51 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.1-Etsy andaniny :

Andriamanitra manome fitaovana ho azy . Mariho fa ny Tompo no mampakinga ny tongony (and34), mampianatra ny tànany (and35), manome ampinga azy (and36), manalalaka ny làlany (and37). Avy amin’ny Tompo avokoa izay rehetra ho entiny miady , hany ka marina tanteraka fa manao famonjen-dehibe ho azy ny Tompo (and51) ary derainy fatratra (and50). Tsy misy antony tokony hiderantsika tena raha maharesy isika , satria ny Tompo no loharanon’izany .
2-Etsy ankilany : miady amim-pahavitrihana izy .
Ny fampitaovan’ny Tompo dia tsy midika mihitsy akory hoe: hiandry fotsiny izy . Tsia ! Tena manao ny ainy tsy ho zavatra izy : »manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy , ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany » (and38) . Tsy maintsy tsarovantsika tokoa manko fa misy ny anjaran’ny Tompo , fa misy koa ny anjarantsika . Raha miezaka samirery isika dia ho resy satria tsy manana ny ho enti-miady koa anefa isika , kanefa mipetra-potsiny dia mbola ho resy ihany . Fa tsy maintsy mivonona hiady ny ady tsaran’ny finoana , hitomban-dahy amin’y maha- miaramila tsaran’i Kristy Jesoa antsika mba ho voninahitry ny Anarany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-3