Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Febroary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 22.20-30
20 Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho. 21 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy. 22 Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro; 23 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako; 24 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako; 25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony. 26 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina; 27 Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*.[Heb. miolakolaka] 28 Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny. 29 Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako. 30 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 22.20-30

Tohin’ilay salamo nataon’i Davida ity :

1-Anandratany ny fitiavan’ny Tompo azy.

« Namonjy ahy Izy, satria tiany aho« (and20). Teny mamy izany ary mifono ny zava-miafin’ny famonjena azony : ny fitiavan’ Andriamanitra . Marina amintsika rehetra koa izany .Raha namonjy izao tontolo izao Andriamanitra dia satria nambaran’i Jesoa fa tia fatratra izao tontolo izao Izy ka nomeny azy ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay (Jao 3.16).Tian’ Andriamanitra ianao . Inoy izany !

2-Ijoroany ho vavolombelon’ny fahamarinan’ny finoany (and21-30)

Amin’ireo andininy ireo dia tsy menatra mihitsy izy milaza hoe: »nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah » (and21), ka nitenenany mahitsy hoe: « Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ny fahotako ». Tsy fireharehana izany , fa fanairana antsika hahatsiaro fa ao amin’ny fanekentsika marina hankahala ota no handraisantsika ny famonjena . Ny fitahian’ Andriamanitra sy ny fiainam-paharatsiana dia tsy miaraka. Ary tsy mety ny hoe: ny fitahian’ Andriamanitra tiana ho azo , nefa ny fahotana ifikirana ihany.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3