Fandalinana ny Boky 2 Samoela
Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Febroary 2019
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 21.1-22
1 [Ny amin'ny mosary naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin*'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan'] 2 Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda), 3 ary hoy Davida tamin'ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin'inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan'i Jehovah? 4 Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin'i Saoly na amin'ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin'ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo? 5 Dia hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra 6 no avelao hisy fito lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy. 7 Fa ny mpanjaka niaro an'i Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, noho ny fianianana tamin'i Jehovah nataon'i Davida sy Jonatana, zanak'i Saoly. 8 Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, izay naterany tamin'i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak'i Mikala*, zanakavavin'i Saoly, izay naterany tamin'i Adriela, zanak'i Barzilay Meholatita,[Na: (Meraba); izahao 1 Sam.xviii.19] 9 dia natolony teo an-tànan'ny Gibeonita ireo ka nahanton'ireo teo amin'ny havoana teo anatrehan'i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin'ny niandohan'ny fararano tamin'ny voalohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea izy. 10 Ary Rizpa, zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina. 11 Ary nambara tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, vaditsindranon'i Saoly. 12 Dia lasa Davida naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany tany amin'ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan'ny Filistina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistina an'i Saoly tao Gilboa. 13 Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan'ireo voahantona ireo. 14 Ary ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny fifonana natao ho an'ny tany. 15 [Ny herim-pon'ny mpiadin'i Davida raha niady tamin'ny Filistina] Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida. 16 Ary Jisbibenoba, izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida. 17 Fa Abisay, zanak'i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin'izay ny olon'i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin'ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan'ny Isiraely. 18 Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin'ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an'i Safa, izay isan'ny taranaky ny Refaita. 19 Ary nisy ady indray koa tamin'ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak'i Jare-oregima Betlehemita, namono an'i Goliata Gatita*, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.[Na: ny rahalahin'i Goliata; izahao 1 Tan. xx.5] 20 Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita. 21 Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin'i Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida. 22 Ireo efatra ireo no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony avokoa ireo.Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 21.1-22
Tantara roa no indray vakintsika eto :
1-Tantaran’ny mosary (and1-14).
Mosary vokatry ny nadikan’i Saoly ny fianianana natao fahiny(Jos 9.15) izany ary mitaky fanonerana araka ny Nom 35.19. Mampahonena ny mamaky ny voalaza eto , saingy aoka hianarantsika tsara ny lesona fonosiny , tsy misy fahotana vita ho azy, fa misy valiny avokoa. Ny fianianana fanekena natao nefa nivadihana , loza mitatao lalandava amin’izay mivadika . Soa fa teo i Jesoa izay maty , nihantona tamin’ny hazo fijaliana ho famonjena antsika (Asa 5.30;10.39).
2-Tantaran’ny ady tamin’ireo goavambe efatra (and15-22).
Davida « reraka » no ambara eto (and15), saingy Davida nandresy ihany , satria nanana miaramila mahery fo niaraka taminy izy.Isika koa, na toy inona na toy inona herintsika sy toeram-boninahitra misy antsika , mety reraka isika. Misaora ny Tompo ny amin’ireo olona omeny hiara-miasa amintsika. Fa na maro sy mahery ny fahavalo , na maro aza ny ady , tsy avelan’ Andriamanitra ho irery ny mpanompony . Toky ho antsika ny nanomezan’i Jesoa toky antsika fa efa naharesy izao tontolo izao Izy (Jao 16.33) ary momba antsika fa tsy mamela antsika ho irery .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3