Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Febroary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 19.32-44
32 Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an'i Jordana tamin'ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an'i Jordana. 33 Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy. 34 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema. 35 Fa hoy Barzilay tamin'ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin'ny mpanjaka hankany Jerosalema aho? 36 Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon'ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin'ny mpanjaka tompoko? 37 Kely foana no handehanan'ny mpanomponao eo an-dafin'i Jordana hiaraka amin'ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany? 38 Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin'ny vohitro ao akaikin'ny fasan'ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin'ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao. 39 Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao. 40 Ary ny vahoaka rehetra nita an'i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan'ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin'ny fonenany izy. 41 Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin'ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka. 42 [Ny nifandiran'ny Isiraely sy ny Joda, ary ny niodinan'i Seba] Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin'Isiraely nankao amin'ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin'ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon'i Davida rehetra teny aminy hita an'i Jordana? 43 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda dia namaly ny lehilahy amin'ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin'izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy? 44 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 19.32-44

1-Namaly soa an’i Barzilay i Davida.Lehilahy  mpanankarena nanampy an’i Davida sy hy olony tamin’ny fotoan-tsarotra izy (2 Sam 17.27). Ary tsy hadinon’i Davida ny soa nataony . Ary isika , mba ahoana ny amin’ny olona nanao soa antsika?Ary ahoana ny amin’i Jesoa izay nanao ny soa faratampony ho antsika ? Saingy tsy tia tena i Barzilay . Ny tombotsoa rehetra tokony ho azy dia nafoiny ho an’i Kimama zanany . Inona tokoa moa no fifalian’ny ray amandreny toy ny mahita fa eo ambany fiahian’ny Mpanjakany zanany? Omeo an’i Jesoa , Ilay mpanjakan’ny mpanjaka koa ny zanakao ho eo ambany fahasoavany manana amby ampy .

2-Nifanditra ny amin’i Davida ny Joda sy Israely . Fomban-javatra fahita izany , rehefa « tafita » ny olona iray dia ifandrirotana hoe: havanay iny .Rehefa voafidy ny olona iray dia miseho sy miady fo ho mpiara-miasa aminy avokoa ny olona. Ary tsy vitsy ny mamadika palitao mba hahazoana ranondranony amin’ilay nandresy. Toetra efa tokony hialana izany mba ho ny fitiavana marina no hifandraisana amin’ny mpitondra.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3