Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Janoary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 19.16-31
16 Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an'i Jordana. 17 Ary Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin'ny lehilahy amin'ny Joda tsena an'i Davida mpanjaka. 18 Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon'ny taranak'i Saoly, mbamin'ny zananilahy dimy ambin'ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an'i Jordana teo alohan'ny mpanjaka izy ireo. 19 Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan'ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an'i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak'i Gera, niankohoka teo anatrehany. 20 Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Aoka tsy hisain'ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon'ny mpanomponao tamin'ny andro nivoahan'ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin'ny mpanjaka izany; 21 fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin'ny taranak'i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko. 22 Fa namaly Abisay, zanak'i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr'i Jehovah izy? 23 Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin'ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan'ny Isiraely anio? 24 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy. 25 Ary Mefiboseta, zanakalahin'i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin'ny andro nialan'ny mpanjaka ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara. 26 Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta? 27 Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin'ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin'ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao. 28 Nefa nendrikendrehiny tamin'ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao. 29 Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan'ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan'izay mihinana amin'ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin'ny mpanjaka? 30 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany. 31 Ary hoy Mefiboseta tamin'ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin'ny tranonao indray.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 19.16-31

Nandresy an’ady i Davida ka hody . Ahoana ny fihetsiny tamin’ireo tsy mba nomba azy?

1-I Simey . Io ilay nanozona azy fony izy nitsoaka nandositra an’i Absaloma (2 Sam 16.5). Izao anefa , nony hitany fa nandresy i Davida , dia izy indray no voalohany nitsena azy sy nifona.Na dia namporisika hamono azy aza i Abisay , dia tsy nanao izany i Davida. Toetra mendrika andriana tokoa izany : mahay mamela ny nitsangana ho fahavalo izay manatona hifona.

2-I Mefiboseta. Nanome tsiny azy i Davida , kanefa nihaino ny fanazavany koa. I Mefiboseta rahateo dia nampiseho ampahibemaso ny fisaonany noho ny nahalasanan’i Davida. Izany no hevitr’ ilay hoe: « tsy nanasa tongotra na namboatra volombava na nanasa lamba izy hatramin’ny andro nialan’ny mpanjaka ka hatramin’ny andro nahatongavany soamantsara « (and 25). Naneho ny firaiketam-pony tamin’i Davida izy fa ampy ho azy ny andraisan’i Davida azy hiray latabatra aminy(and31). Ary isika :mba vonona hahafoy ny zavatra rehetra ve isika noho ny amin’i Jesoa , ka hihira marina ilay hoe: « Ahy i Jesoa , ampy izay! » (Hita FFPM 479.1).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-3