Fandalinana ny Boky 2 Samoela .

Mofonaina anio: Talata, faha 29 Janoary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela .

2 Samoela 17,1 - 14
1 Ary hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an'i Davida anio alina; 2 ary ho tonga ao aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako; 3 dia haveriko ho et? aminao ny vahoaka rehetra miankina amin'io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan'ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra. 4 Ary sitrak'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely rehetra izany. 5 Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny. 6 Ary nony tonga teo amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao? 7 Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon'i Ahitofela tamin'ity. 8 Ary hoy kosa Hosay: Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin'ny vahoaka raha alina. 9 Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin'ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin'ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an'i Absaloma, 10 ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon'ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny. 11 Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika. 12 Dia ho tonga ao aminy amin'izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin'izay olona rehetra manaraka azy. 13 Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran'ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin'ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao. 14 Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon'i Ahitofela ny nataon'i Hosay Arkita. Fa efa notendren'i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon'i Ahitofela, hampidiran'i Jehovah loza amin'i Absaloma.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela .

2 Samoela 17.1-14

Eo am-pelatànan’ Andriamanitra ny fitondrana ny tantara araka ny teny fanalahidy eo amin’ny and14b hoe : « Fa efa no tendren’i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’i Ahitofela , hampidiran’ i Jehovah loza amin’i Absaloma « .

1-Nofoanan’ Andriamanitra ny hevitr’i Ahitofela, izay hampidi-doza an’i Davida. Olona neken-teny i Ahitofela ka « izay nataony tamin’izany dia hoatra ny manontany amin’ Andriamanitra , toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’i Ahitofela , na tamin’i Davida na tamin’i Absaloma » ( 2 Sam 16.23). Noho ny asan’ny Fanahy anefa dia nampaka an’i Hosay i Absaloma . Nirodana ny hevitr’ Ahitofela noho izany .

2-Nankatoavina ny hevitr’ i Hosay, izay hampidi-doza an’i Absaloma. Tsara kokoa noho ny hevitr’i Ahitofela no nandraisan’ny mpivory ny heviny . Satria goavana ny fikasana dia tsy azo notanterahina teo no eo . Mbola hovoriana ny Israely rehetra ary Absaloma mohitsy no hitari-tafika . Andriamanitra no mampitaredretra azy ireo . Nanjary soa ho an’i Davida anefa izany ka hahazoany andro handosirana lavitra kokoa, mita an’i Jordana sy hiomanana hiatrika ady, ary avy amin’ny Tompo izany.Eny, mandeha amin’ny làlana saro-pantarina tokoa Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pirenena.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3