Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Janoary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 15,1 - 12
1 [Ny niodinan'i Absaloma, sy ny nandosiran'i Davida] Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany. 2 Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan'ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin'ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin'i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin'ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin'ny firenen'Isiraely ny mpanomponao. 3 Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin'ny mpanjaka hihaino anao. 4 Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy at? amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy! 5 Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany. 6 Ary toy izany no nataon'i Absaloma tamin'ny Isiraely rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin'i Absaloma ho azy ny fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely. 7 Ary nony afaka efa-polo taona*, dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin'i Jehovah. [Na: (efa-taona)] 8 Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah. 9 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona. 10 Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona. 11 Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona. 12 Ary Absaloma naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an'i Absaloma.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 15.1-12

Mitetika ho tonga mpanjaka i Absaloma . Dingana tsara rindra no nizorany ho amin’izany .

1-Fakana ny fon’ny vahoaka .
Te-ho mpanjaka izy , na dia zaza fahatelo aza satria i Amnona zanaka voalohany efa nodimandry , ary i Kileaba zaza faharoa dia tsy mba taranaka mpanjaka ny reniny ( 2 Sam 3.1). Noho izany , naka ny fon’ny vahoaka izy tamin’ny fijoroany vao maraina teo amin’ny vavahady. Noraisiny tsara ireny , ary mariho ny lazainy sy ny fihetsiny eo amin’ny and 4-6 fa tena hafetsena sy fihatsarambelatsihy .Taona maro no lanin’i Absaloma hakana ny fon’ny vahoaka mba hanjakany .

2-Fakana namana . Nifidy olona i Absaloma  ka isan’ireny  ny  50 lahy
ho mpihazakazaka eo anoloany (and1) sy ny 200 lahy nasainy (and11) ary i
Ahitofela mpanolotsain’i Davida.

3-Fandaingana . Nandangainy i Davida ka nolazainy fa hivavaka no hankanesany any Hebrona , izay toerana nahaterahany . Eo koa ireo nandeha tamin’ny fahatsoran’ny fony izay nanaraka azy avy any Jerosalema . Tao izy no nanao fanambarana fa mpanjaka . Mariho fa mbola endriky ny fahatanterahan’i Jehovah momba ny famaizana an’i Davida noho ny fijangajangany ihany izao zava-miseho izao , ary fampitandremana lehibe ho antsika rehetra kosa.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha- 3