Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Janoary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 12,13 - 31
13 Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14 Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao. 15 Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza. 16 Ary nifona tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin'ny tany mandritra ny alina. 17 Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy. 18 Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy. 19 Ary nony hitan'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty. 20 Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy. 21 Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa. 22 Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia? 23 Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina et? amiko intsony. 24 Ary Davida nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona*. Ary Jehovah tia azy,[Solomona = Miadana] 25 dia naniraka an'i Natana mpaminany ka nanao ny anaran'ny zaza hoe Jedidia* noho ny amin'i Jehovah.[Jedidia = Tian'i Jehovah] 26 Ary Joaba namely an'i Raban'ny taranak'i Amona ka nahafaka ny tanànan'ny mpanjaka. 27 Ary Joaba naniraka olona tany amin'i Davida nanao hoe: Namely an'i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano. 28 Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy. 29 Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy. 30 Dia nesoriny ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka* teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.[Na: Malkama; izahao Zef. i. 5] 31 Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin*'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 12.13-31

Aorian’ny fahalavoana ny fanarenana taon’ Andriamanitra

1-Miandoha amin’ny fibebahana izany . Teny tsotra no nibaboan’i Davida ka nahazoany ny famelankeloka hentitra . Na dia izany aza dia nihatra hatrany ny didy.

2-Maty ny zaza. Zaza azo noho ny fijangajangana ny zanak’i Davida tamin’i Batseba . Namely ny zaza Jehovah ary tsy nihemotra tamin’ny fanapahankeviny mihitsy na dia nangataka mafy aza i Davida . Ny fanarenana ataon’ny Tompo dia tsy amin’ny zavatra efa simba . Fisaorana an’ Andriamanitra fa tsy sanatria famoizampo no hita tamin’i Davida rehefa maty ny zaza ka dia nihinan-kanina izy. Nivavaka izy ary nanaiky ny valim-bavaka .

3-Teraka i Solomona . Zanaka tao anaty fanambadiana ara-dalàna : »Tia azy i Jehovah »araka ny anarany hoe: « Jedidia ». Izy no mpanjaka handimby an’i Davida.

4-Fampandrenesana. Tamin’ireo taranak’i Amona no nahafaty an’i Oria ka nitenenan-dratsy ny olon’ny Tompo . Nampandrenesina anefa i Davida satria nanao ny ady farany mba tsy hanonona izany amin’ny anaran’i Joaba ka nahazo babo be dia be .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3