Fandalinana ny Boky 2 Samoela
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Janoary 2019
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 9,1 - 13
1 [Ny soa nataon'i Davida tamin'i Mefiboseta] Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana? 2 Ary nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy. 3 Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. 4 Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara. 5 Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara. 6 Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao. 7 Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. 8 Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? 9 Dia niantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny tomponao. 10 Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo. 11 Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. 12 Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa. 13 Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 9.1-13
Tena lesona tsara ho an’ny mpanao politika ity.
1-Nitana ny teny nataony i Davida.
I Davida no nitady olona asian-tsoa eto ,avy amin’ny taranak’i Saoly , ilay nodombiasany fanjakana.Olona mitana ny teniny izy ka tsy nanao maso voatoto-tany . Efa nifanaiky manko izy sy Jonatana fa hifanasoa. »Aza matahotra fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’i Jonatana rainao« (and7)Raha mba mahatana ny teny nataony toy izany avokoa izay mahazo fahefana miadana ny tany.Ary raha mba tsy fanilihana sy fanapotehana izay nodimbiasana foana no ataon’izay vao voafidy, handroso ny firenena!
2-Arahina asa ny teny atao.
Tsy vitan’ny niteny fotsiny i Davida fa noporofoiny tamin’ny asa ny nambarany. Hoy izy : »hampodiako ho anao ny tany rehetra izany an’i Saoly rainao , ary ianao hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva « (and7). Tonga fiainan’ny olona vaovao afaka ny fiainan’i Mefiboseta satria averina taminy ny zony ara-pananana atria naverina taminy ny zony ara-pananana sy ny fiandrianana. Famerenana ny zo very noho ny fahotana kosa no nataon’i Jesoa ho an’izay nandray Azy.Tsy teny foana izany fa tena omeny tokoa fa »endrey , manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika , dia ny niantsoana antsika hoe: zanak’ Andriamanitra sady izany tokoa isika »
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3