Tetikasan’i Davida ho an’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 15 Janoary 2019

2 Samoela 7.1-17

2 Samoela 7.1-17
1 [Ny nanirian'i Davida hanao tempoly sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany, ary ny vavaka nataon'i Davida tamin'izany] Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin'i Jehovah tamin'ny fahavalony rehetra manodidina azy izy, 2 dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay! 3 Dia hoy Natana tamin'ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao. 4 Ary tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako? 6 Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely] 7 Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo? 8 Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko. 9 Ary nomba anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao. 10 Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha 11 sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana* anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka** ho anao Izy.[*Heb. nampiadana][**Heb. hanao trano] 12 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany; 13 dia io no hanao trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany ho mandrakizay. 14 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona; 15 nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao. 16 Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay. 17 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.

1-Tetikasan’i Davida ho an’ Andriamanitra

Nihevitra tao am-pony i Davida fa tokony hanaovana fitoerana tsara ny vata na fiaran’ny fanekena . Nambarany tamin’i Natana izany ka nankasitrahan’ io ihany koa. Nahazo tsodrano izy. Tsy laharam-pahamehana ho an’ny Tompo ny mitoetra amin’ny trano nataon-tànana raha oharina amin’ny olona izay trano fonenany. Tsy voatery ho laharam-pahamehan’ Andriamanitra anefa ny tetikasan’ny olona na dia tsara aza izany . Ataon’ny olona resy lahatry ny fitondran’ Andriamanitra ho zava-dehibe ny fiheverana ny asan’ny Tompony.

2-Tetikasan’ Andriamanitra ho an’i Davida.

Manara-maso ny atao sy ny heverin’ny mpanompony Andriamanitra . Ny alin’ny nitenenan’i Davida ny fikasany dia tonga tamin’i Natana ny hafatra. Tsy hanorina ny trano hitoeran’ Andriamanitra i Davida fa ny zanany izay hanjaka handimby azy no hanatanteraka izany. Eo koa ny fampanantenana nomena azy fa tsy ho diso zanaka lahy eo amin’ny fanjakana izy , ary voamarin’ny tantara aty aoriana izany .Manondro sahady an’i Jesoa Kristy Mpanjaka koa anefa izany . Izy manko no tena Mpanjaka taranak’i Davida manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3