Fandalinana ny  2 Samoela

Mofonaina anio: Alahady, faha 06 Janoary 2019
2 Samoela 1,1 - 16
1 [Ny nataon'i Davida, rehefa nahare ny nahafatesan'i Saoly, sy ny hira fisaonana nentiny nisaona azy] Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy. 2 Ary tamin'ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nitsaoka. 3 Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin'ny tobin'ny Isiraely aho. 4 Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany. 5 Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany. 6 Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy. 7 Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho. 8 Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho. 9 Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko. 10 Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy*, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko et? amin'ny tompoko izany.[Heb. lavo] 11 Dia noraisin'i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. 12 Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny. 13 Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho. 14 Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr'i Jehovah? 15 Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty. 16 ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.

Fandalinana ny  2 Samoela

2 Samoela 1.1-16

Ratsy mandrakariva ny vokatry ny fandaingana  noho izy  avy amin’ny devoly . Eto dia fahafatesana no valimpitia nomena ilay zatovo. Fanontaniana no avy amin’i Davida mba hahalalany ny sehon-javatra marina. Tsy te-hihinana ambolony izy

  1. Fanovana ny seho marina ny lainga . Misy  zava-marina sy zava-noforonina ny tatitra eto. Tany an’ady tokoa izy ary maty tokoa i Saoly saingy namono tena . Nandainga izy mba  hikendreny ny tombotsoa satria  nihevitra fa ho faly i Davida noho ny fahafatesan’i Saoly. Tsy fantany tokoa fa i Davida aza tsy sahy  namono azy satria voahosotr’i  Jehovah izy.
  2. Fanamarinan-tena  tsy misaraka aminny lainga . Hoy izy : «dia nalaiko ny satroboninahiny teo an-dohany  .  Dia nanatona azy aho ka namono azy , satria fantatro  fa tsy ho velona izy rehefa resy ka   dia nalaiko ny satroboninahiny  teo an-dohany  ny fehi-tànana teo amin’ny sandriny  ka nentiko aty amin’ny tompoko izany » (and10)
  3. Fahendrena ny manadihady hialana amin’ny lainga
    Fanontaniana no avy amin’i Davida mba hahalalany ny sehon-javatra marina. Tsy te-hihinana ambolony izy .
  4. Famonoana  no valimpitia  tandrify ny lainga . Nifanohitra tamin’ny nokendreny ny azony fa baiko hentitra narahina  fanatanterahana teo no eo no nitranga : vonoy io fa namono ny voahosotr’i Jehovah. Tsarovy  fa very ny mpandainga  (Apo 21.8).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »Boky faha-3