Fandalinana ny Boky 1 Samoela

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Desambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 30.11-31
11 Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy. 12 Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano. 13 Ary hoy Davida taminy: An'iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon'ny Amalekita anankiray, aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary afaka omaly. 14 Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo izay an'i Kaleba ary nandoro an'i Ziklaga tamin'ny afo. 15 Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan'ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany aho. 16 Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran'ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben'ny babo rehetra izay azony tamin'ny tanin'ny Filistina sy ny tanin'ny Joda. 17 Ary Davida namely azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra. 18 Dia rarak'i Davida izay rehetra efa nobaboin'ny Amalekita; ary dia azon'i Davida koa ny vadiny roa. 19 Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin'izay nobaboin'ireny; izany rehetra izany dia azon'i Davida avokoa. 20 Ary Davida naka ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida. 21 Ary Davida tonga teo amin'ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin'ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin'ny olona Davida, dia nanontany izay toeny. 22 Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy. 23 Fa hoy Davida: Aza manao izany amin'izay nomen'i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika. 24 Koa iza no hanaiky anareo amin'izany? Fa tahaka ny anjaran'izay nidina hiady ihany no ho anjaran'izay nitoetra tamin'ny entana: hiara-misalahy izy. 25 Dia izany no fanao hatramin'izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin'ny Isiraely izany ambaraka androany. 26 Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'i Jehovah, 27 dia ho an'izay ao Betela sy izay any Ramata amin'ny tany atsimo sy ho an'izay ao Jatira 28 sy ho an'izay ao Aroera sy ho an'izay ao Sifmota sy ho an'izay ao Estemoa 29 sy ho an'izay ao Rakala sy ho an'izay any an-tanànan'ny Jeramelita sy ho an'izay any an-tanànan'ny Kenita 30 sy ho an'izay ao Horma sy ho an'izay ao Korasana sy ho an'izay ao Ataka 31 sy ho an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny olony.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 30.11-31

Momba azy Andriamanitra amin’ny ady hatrehiny , hany ka:

1-Nanisy làlana hitarihany azy

Lehilahy Egyptiana no nomanin’ Andriamanitra ho mpitari-dàlana azy. Tsy ho vokatry ny kisendrasendra mihitsy na ny aretina nahazo an’io na ny nanarian’ny tompony azy sy ny nahitan’ny olona azy . Tsy hanahirana ny fanarahan-dia satria, « hoy izy: hitondra anao midina ho amin’izany jirika izany aho » (and15)

2-Nanisy làlana handreseny

Tonga teo amin’ireo olona nandroba ry i Davida . Ireo anefa « homana sy misotro ary milanona » (and16). Tsy sarotra tamin-dry i Davida ny nandresy olona efa mamo ka tsy mahagaga raha raraka avokoa ny efa azony . Eto no manomboka nivadika ny takila satria ilay natao ho fahavoazana sy fahoriana no nivoatra ho fandresena . Nambabo ho an-dry i Davida fotsiny ny Amalekita.

3-Nanoro hevitra hankasitraka

Nahazo ny tandrify azy avokoa ny rehetra . Tsy nisy ny tombo sy hala satria avy amin’ilay Andriamanitry ny Tafika ny fdandesena iaraha-manana. Fahaiza-mitondra olona manamarika ny maha- mpitarika lehibe an’i Davida izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3