Fandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Desambra 2018
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 30.1-10
1 [Ny namalian'i Davida ny Amalekita noho ny nandravany an'i Ziklaga] Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy nandoro azy tamin'ny afo; 2 ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy. 3 Ary Davida sy ny olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo. 4 Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy. 5 Ary voababo koa izy roa vavy vadin'i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita. 6 Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny. 7 Ary hoy Davida tamin'i Abiatara mpisorona, zanak'i Ahimeleka: Masìna ianao, ento et? amiko ny efoda. Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda. 8 Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao. 9 Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin'ny renirano Besora, ary teo no nijanonan'ny sasany. 10 Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 30.1-10
Ory dia ory ry Davida sy ny miaramilany ka nisy ny fihetsehampo sy fihetsika samihafa.
1-Fahadisoam-panantenana no nitsena azy ireo raha tonga tao Ziklaga. Levon’ny afo ny tanàna sady lasa babo ny vady aman-janaka. Miteraka fijery sy fomba samihafa ny tranga toy izany raha sendra mba lalovana.
2-Nitomany izy ireo. Fanehoan’ny olona alahelo ao am-pony ny ranomaso. Tsy nijanona izy ireo raha tsy ritra ranomaso ary niraisan’izy rehetra izany
3- Valy faty no hevitry ny sasany . Nifampitaona ireny mba hitora-bato an’ i Davida izay notanany ho fototry ny fahavoazan’ny vady aman-janany sy ny tenany
4-Nampahery ny tenany kosa I Davida. Mariho tsara fa tamin’ny Tompo no nanaovany izany . Tsy isalasalana fa namboraka ny alahelony tamin’i Jehovah izy. Soa fianatra ho an’ny tojo fahoriana ny toy izany .
5-Nanontany an’ Andriamanitra ny amin’izay hatao izy . Ny nanontany ny hevitry ny Tompo ny amin’izay atao no laharam-pahamehana tamin’I Davida fa tsy hikaroka ny anton’ny fahavoazana. Rehefa nahazo toky izy dia nanatanteraka avy hatrany ka niainga mba hamerina ny babo. Tsy nataony ho sakana ny faharerahan’ny namany sasany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »
Boky faha- 3