FFandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Desambra 2018
1 Samoela 28,15 - 25
15 Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko. 16 Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao. 17 Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin'ny tananao ny fanjakana ka nomeny an'i Davida namanao. 18 Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin'ny Amalekita, dia izany no nanaovan'i Jehovah izao zavatra izao taminao androany. 19 Ary hiaraka hatolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho et? amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny Isiraely koa dia hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina. 20 Dia lavo niampatra tamin'ny tany niaraka tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin'i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra. 21 Ary nankao amin'i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko. 22 Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin'ny alehanao ianao. 23 Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara. 24 Ary ravehivavy nanana zanak'omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira. 25 Ary narosony teo anoloan'i Saoly sy teo anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin'iny alina iny ihany.FFandalinana
ny Boky 1 Samoela
1 Samoela
28.15-25
Mifanatrika Andriamanitra sy i Saoly eto . Izao
no tsapa raha jerena tsirairay izy ireo
.
1-Ilay Andriamanitra nampanjaka.
Tsy niova tamin’ny teny nataony Izy . Nihamafy aza ny sazy nomeny rehefa nikiry nankao, amin’ilay mpanao spiritisma i Saoly . Fanalana azy tsy ho mpanjakan’Israely no tany amin’ny toko 15, raha niitatra amin’ny fandringanana izany eto : « Ary hiaraka hatolotr’i Jehovah ho eo an-tànan’ny Filistina ny tenanao sy ny Israely , ary rahampitso dia ho ety amiko ianao sy ny zanakao , ary ny miaramilan’ Israely koa dia hatolotr’i Jehovah eo an-tànan’ny Filistina »(and19)
2-Ilay
Saoly nampanjakaina
Efa teo amin’ny tsy misy azo atao intsony vao nanenina i Saoly tamin’ny tsy nohainoany an’i Jehovah . Tara loatra ny fahatsiarovan-tenany . Teo izy vao tena raiki-tahotra tokoa (and20). Tsy nety nihinana izy noho ny hadisoam-panantenana sy ny hakiviana nameno ny fony fa vonjy no nandrandrainy tamin’ny fanompoan-tsampy , kanjo fanamelohan’ Andriamanitra no azony.Saingy nihinana ihany izy ary nahazo hery mba hirosoana any amin’ny … fandringanana (and25). Mahonena ny toy izao fa tsy mifankaiza amin’izay voambara momba an’i Esao hoe : « tsy nahita izay hibebahana izy , na dia nitady fatratra tamin’ny ranomaso aza » (Heb 12.17).
« Raiso
ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3