Fandalinana  ny Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Desambra 2018

Fandalinana  ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 26.13-25
13 Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta); 14 ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka? 15 Ary hoy Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin'ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin'ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao. 16 Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany? 17 Ary fantatr'i Saoly ny feon'i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko. 18 Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin'ny tanako? 19 Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa. 20 Koa aza avela ho latsaka amin'ny tany lavitra an'i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra. 21 Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra. 22 Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon'ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy. 23 Ny lehilahy izay nanoloran'i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho. 24 Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra. 25 Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.

Fandalinana  ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 26.13-25

Niantso teny an-tendrombohitra . Inona  no nambarany?

1-Niteny an’i Abnera , mpiambina tsy mahomby izy.

Novakiana bantsilana ny  tsy fahombiazany . Fa raha izay  tokoa moa no novonoin’ Abisay , izay niaraka tamin’i Davida i Saoly  dia maty tokoa na dia teo aza ry Abnera . Fa mpiambina manao ahoana kosa izaho sy ianao ? Mba mahatoky ve sa tsia?

2-Niteny an’i Saoly , mpanjaka tsy misaina koa izy.

Nambarany fa fanosehana azy handeha hanompo sampy (and20) ny fanenjehana natao azy , ary hadalana fa toy ny fanenjehana parasy iray. Masiaka izany teny izany , kanefa teny marina ampy hampieritreritra an’i Saoly . »Mifananara ianareo » , hoy ny  mpanoratra ny Hebreo (Heb 3.13). Ahoana ary no navaliny azy?

3-Niaiky heloka i Saoly .

Tsy araka ny maha-mpanjaka tsy misaina azy ny fihetsiny : niaiky izy « efa nanota aho…efa nanao adala aho ka diso indrindra »(and21).Tena soa fianatra izao nataony izao.Tsy niezaka nanamari-tena izy, na kely aza. Teo imason’ny vahoakany no nifonany. Ary tsy vitan’izany fa narahiny tsodrano ho an’iDavida ny teniny: »Hotahiana anie ianao , ry Davida zanako, hanao dia hanao ianao sady hahatontosa » (and25).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3