Fandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Desambra 2018
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 26.1-12
1 [Ny nilazan'ny Zifita tamin'i Saoly fanindroany izay hahazoany an'i Davida, sy ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly] Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida? 2 Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa. 3 Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly. 4 Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly. 5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka. 6 Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao. 7 Ary tonga tao amin'ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin'ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy. 8 Ary hoy Abisay tamin'i Davida: Efa voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin'ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho. 9 Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny? 10 Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy. 11 Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha. 12 Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 26.1-12
1-Sarobidy amin’ Andriamanitra ny aina
Ny 1 Sam 26 dia toy ny famerenana indray ny 1 Sam 24 ihany . Inona no tian’ Andriamanitra hambara:
I Satana sy ny miaramilany dia mitondra anarana koa hoe:« fandringanana« (Apo 9.11). Mpanompon’i satana na iza na iza mamono olona , afa-tsy ny sitrapon’ Andriamanitra irery(and10). Mifanahim-biby ny fiaraha-monina ankehitriny ka mila mahazo vahana ny atao hoe: »fitsaram-bahoaka » . Tsarovy anefa ny tenin’i Jesoa fa na dia ny fahatezerana amin’ny hafa fotsiny aza dia ampy hanamelohana antsika (Mat 5.21-24). Koa tandremo ny atao , indrindra amin’ny olom-boahosotra (and 9-11).
2-Ny fiovana dia mahakasika ny fo fa tsy toerana na andraikitra
Raha niaiky fa hiova ka tsy hifofo an’i Davida intsony i Saoly tao an-johy (1 Sam 24), dia 3000 lahy voafantina indray no nentiny tany anefitr’i Zifta (and2) . Ny tanàna zatra mitsotra tokoa , sarotra avonkona : ny fiainan-dratsy atao, sarotra afenina, na inona na inona toerana sy andraikitra tànana(politika, sosialy, koltoraly, fivavahana). Raha tsy ny fo sy ny saina no miova araka ny Tenin’ Andriamanitra , ho simba hatrany ny fiaraha-monina. Diniho ny Rom 12.1-3
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3