Fandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Desambra 2018
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 23.14-28
14 Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny tany havoana tany an-efitr'i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany. 15 [Ny nitoeran'i Davida tany an-efitr'i Zifa sy Maona, ary ny hevitra nataon'ny Zifita hahazoan'i Saoly azy] Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala. 16 Ary Jonatana, zanak'i Saoly, niainga, dia nankany amin'i Davida tany an'ala ka nampahery ny tànany tamin'Andriamanitra. 17 Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany. 18 Ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony. 19 Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida? 20 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan'ny mpanjaka izy. 21 Ary hoy Saoly: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko. 22 Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy. 23 Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena et? amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin'ny tany izy, dia hotadiaviko eran'ny arivon'i Joda rehetra. 24 Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay* atsimon'ny efitra.[Heb. Arabà] 25 Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy. 26 Ary Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy. 27 Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany. 28 Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota*.[Sela-hamalekota = Harambato fandosirana]Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 23.14-28
1-Mahagaga fa kinga sy fetsy ary manana sy mahita paikady tsy hita noanoa ny olombelona rehefa hanao ratsy (and19-29)
Na mavaivay toy inona anefa ny heriny sy ny fahefany dia maivana toy ny rivotra eo anatrehan’Andriamanitra ny handravana sy hanafoana azy (and27-28). Iray amin’ny tononkiran’i Davida ao amin’ny Sal 23.4 ny hamonjen’ Andriamanitra antsika manoloana izay tsy azo anoarana intsony . Diniho ny Sal 73.25-28.
2-Miara-monina sy mitoetra eo amin’ny tontolo iray ihany ny tsara sy ny ratsy ary fahavalo aza no tena mandrakotra be lavitra (and26). Mijoroa ho tsara .
3-Tsy ny hanaisotra ny mino Azy eto amin’izao tontolo izao no hataon’i Jesoa fa ny hiaro azy amin’ny ratsy (Jao 17.15-16). Noho izany na masiaka fatratra aza ny asan’i satana isanandro handrava , mila mandositra azy isika « miezaka mafy handositra i Davida « (and26b)izay midika ho fitarainana sy fiantorahana feno amin’ Andriamanitra (Sal 31.22) , fa ampy ho antsika ny fahasoavany (2 Kor 12.9).
Raiso ny Tenin’ Andriamanitra