Fandalinana ny 1 Samoela
Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Desambra 2018
Fandalinana ny 1 Samoela
1 Samoela 22.11-23
11 Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra. 12 Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko. 13 Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao? 14 Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao? 15 Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be. 16 Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra. 17 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina* izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.[Heb. mpihazakazaka] 18 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy. 19 Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy. 20 Ary ny anankiray tamin'ny zanak'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an'i Davida. 21 Ary Abiatara nanambara tamin'i Davida ny namonoan'i Saoly ny mpisoron'i Jehovah. 22 Ary hoy Davida tamin'i Abiatara: Fantatro androtr'iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin'i Saoly tokoa; koa izaho no anton'ny nahafaty ny olona rehetra tamin'ny tarana-drainao. 23 Tomoera et? amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.Fandalinana ny 1 Samoela
1 Samoela 22.11-23
1-Nentina hotsaraina teo anatrehan’ny mpanjaka i Ahimeleka mpisorona . Nentina alaina am-bavany izy ary farany nohelohin’ny mpanjaka ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpikomy . Niezaka niaro tena ihany i Ahimeleka , satria marina tokoa fa tsy nahalala na inona na inona izy , saingy , tsy nahaleo ny tenin’ny mpanajaka ny teniny. Tandremo fa mety hisy vokany tsy ampoizinao ny teny ataonao ny amin’ny hafa .
2-Voaheloka ho faty i Ahimeleka sy ny fianakaviany
Loza mahatsiravina no niseho . Tsy i Ahimeleka mpisorona ihany fa ny fianakaviany sy ny tanànan’i Noba avy koa no indray naringana . Loza tokoa rehefa sendra olona jamban’ny fankahalana sy ny fiarovana ny sezany toa an’i Saoly . Fa didim-pitsarana tsy misy fahamarinana no mivoaka . Ny olona tsy nanino-tsy naninona avy no naringana . Mivavaha mba hananantsika mpitondra fanjakana tsy mba tahaka an’iSaoly , mba ho mpitondra manaja ny fahamarinana, mitsinjo ny vahoaka fa tsy mandripaka vahoaka noho ny fiarovany ny tombotsoan’ny tenany sy ny sezany ny mpitondra antsika .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra