Fandalinana ny  Boky 1 Samoela

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Desambra 2018

Fandalinana ny  Boky 1 Samoela

1 Samoela 22.1-10
1 [Ny nirenirenen'i Davida tany Joda sy Moaba, ary ny namonoan'i Saoly ny mpisorona maro] Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo. 2 Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy. 3 Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy at? hitoetra et? aminao ambara-pahafantatro izay hataon'Andriamanitra amiko. 4 Ary dia nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin'ny andro rehetra nitoeran'i Davida tao amin'ny batery fiarovana. 5 Ary hoy Gada mpaminany tamin'i Davida: Aza mitoetra ao amin'ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin'ny tanin'ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an'ala Hareta. 6 Ary ren'i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin'ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin'izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany), 7 dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak'i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen'ny zanak'i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra, 8 no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin'ny zanak'i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao? 9 Ary Doega Edomita, mpifehy* ny mpanompon'i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i Jese tonga tany Noba aho tany amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba.[Na: izay nitsangana teo amin'] 10 Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin'i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr'i Goliata Filistina.

Fandalinana ny  Boky 1 Samoela

1 Samoela 22.1-10

1-Tanàna sy vohitra maro no nikatsahan’i Davida fierena (Moaba , Gata, Adolama, Mizpa, Hareta) ary  na dia nisy batery  fiarovana aza ireny  (and5)dia ho fandrika hahafongotra aina. Tsy izany ihany  fa mpanjaka (21.1-3) sy  mpisorona (21.2) mbamin’ny mpaminany (22.5) sy ny firenena maro (22.3) no nitadiavany famonjena fa tsy  misy azo antoka.

Ambaran’ny Soratra masina fa « izay mitoetra ao  amin’ny fierena izay an’ny avo  indrindra  » irery no tsy hiharan’ny  loza na inona na inona (Sal 91)ary izay lalim-paka amin’ny finoana an’i Jesoa dia ho feno fahefana hifanatrika amin’ny fahavalo (Lio 10.19)

2-Tandremo fa manana mpitsikilo ny fahavalo

Rehefa nandeha ny teny mahery nataon’i Saoly (and7-8) dia niseho amin’izao Doega Edomita ( and9-10) , nitantara ny zava-niseho tany Noba. Mariho fa io ilay voalazan’ny 1 Sam 21.1.Izy izao no nitati-bolana tany amin’i Saoly. Koa aoka ho  mailo  isika fa mitsikilo  antsika hatrany ny fahavalo ary hampiasa izay fantany hahavoa antsika . Ny miambina lalandava no anjarantsika .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra