Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Desambra 2018
Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
1 Samoela 20.24-42
24 Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana 25 teo amin'ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana teo anilan'ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan'i Davida. 26 Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy. 27 Ary nony tamin'ny andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany? 28 Ary Jonatana namaly an'i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema 29 nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka. 30 Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon*'ny reninao.[Heb. fitanjahan'] 31 Fa raha mbola velona et? ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankat? amiko, fa meloka tokony ho faty izy. 32 Ary Jonatana namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony? 33 Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida. 34 Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra. 35 Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy. 36 Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka. 37 Ary nony efa tonga teo amin'ilay nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin'i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka? 38 Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony. 39 Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton'izany. 40 Dia nomen'i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto. 41 Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra. 42 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.Fandalinana ny Boky : 1 Samoela
1 Samoela 20.24-42
1-Mety hahafehy tena vetivety ihany ny ratsy
Mariho fa tamin’ny takariva voalohany nahabanga ny toeran’i Davida teo amin’ny latabatry ny mpanjaka dia mbola tsy naninona akory i Saoly . Hitantsika amin’izany fa na ny ratsy fanahy aza dia mba mety mampiseho toetra tsara kely ihany ao anatin’ny fotoana fohy .
2-Vaky bantsilana ihany anefa ny tao am-pony
Tamin’ny andro faharoa dia tsy hainy nafenina intsony ny tao am-pony . Vaky teo ny resaka fa tsy zakany mihitsy ny mijery an’i Jonatana sy i Davida mifankatia , satria raha mbola eo i Davida , ilay lehilahy mahery ,tsy ho mari-toerana ny fanjakan’i Jonatana zanany . Izany no hevitr’i Saoly !Ka nony nanome fanazavana ny amin’i Davida hanala tsiny azy i Jonatana dia tora-defona no vokany . Izany tokoa no izy , na ho ela na ho haingana , tsy maintsy hiseho ihany ny tena toetran’ny olona sy izay ao am-pony tokoa. Ibebaho dieny tsy mbola vaky ny hevi-dratsy mikobona ao am-ponao .
3-Tsy tery làlana ny tena fiiavana
Na teo aza ny saika nahafaty an’i Jonatana tsy nahasakana azy tsy hamonjy ny fotoana nifanaovany tamin’i Davida ihany izany , mba hanambarana ny zavatra rehetra sy hanamafisana orina ny fifankatiavany , izay hahatratra sy taranany . Izany tokoa no tena fitiavana , ary ny fitiavanao , manao ahoana ?
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra